Etazonia. Nifankahita tamin’i Lala avy ao Ambondrona…

Jeudi, 07 Octobre 2021 13:53 Photos
Imprimer

New York, 07 oktobra 2006 - 07 oktobra 2021. 15 taona lasa izay no nandalo teto amin’ny hoe Big Apple ny tarika Mahaleo. Tadidiko tokoa satria nanaovako lahatsoratra ny fandalovany teto tao amin’ny Madagate.


Tsy teto New York aho tamin’io fotoana io fa kosa nanaovako lahatsoratra io fandalovan’ny tarika Mahaleo io taty aoriana. Izao no nosoratako tamin’ny teny frantsay :

« New York - 07 octobre 2006. Avec le groupe MAHALEO au grand complet, la diaspora malagasy a vécu un événement culturel exceptionnel à marquer d’une pierre blanche dans les annales de nos compatriotes aux USA. Dès le début du concert donné dans la salle de fête du St Mickael’s Academy Auditorium, la Diaspora a été conquise, et chaque chanson, interprétée avec maîtrise et talent par ce groupe professionnel, a été accueillie avec enthousiasme, suivie de danses au rythme bien de chez nous. Les familles malgaches, toutes générations confondues, ont dansé et fredonné les tubes des années 72 pendant plus de trois heures.

Ces quelques 200 personnes sont venues notamment de New York et de New Jersey. Mais d'autres n’ont pas hésité à faire le déplacement depuis Washington D.C, Ohio, Michigan, Connecticut et même d’aussi loin que la Californie dans l'Ouest, pour voir sur scène les "Sept membres du Groupe Mahaleo" au grand complet, accueillis par l’Ambassadeur Zina Andrianarivelo Razafy et son épouse… ».

15 taona taty aoriana, indrisy, dia roalahy sisa no velona amin’ny tarika Mahaleo dia i Bekoto sy Dama. I Raoul (Raolona) dia nodimandry ny 03 septambra 2010; i Nono dia nandao ity tany ity ny 29 aogositra 2014; i Fafah dia lasa any amin’ny paradisan’ny mpihira ny 20 oktobra 2019; nanaraka azy i Dadah ny 3 novambra 2019. I Charlebert kosa lavon’ny Covid-19 ny 05 aogositra 2021.


Ny 02 oktobra 2021 dia nisy mpivady efa ela netezana teto New York nanasa anay telo mianaka tao an-tranony. Rehefa nijery tsara ireo hoso-doko amin’ny rindrina aho dia taitra nahita io asehoko anareo io : sangan’asa sy manana ary tsy hanam-paharoa mihitsy : hoso-doko misy ny sarin’izy fito lahy nandrafitra ny tarika Mahaleo ary ny sonian’izy tsirairay avy !


Ny anaran’ny artista nanao io hoso-doko io ? I tatie Fara, vadin’i Jean-Claude, mpanjakan’ny dihy rock tao amin’ny «Kaléidoscope» tao Antaninarenina Antananarivo ho izay mahatadidy.

Ny taona 2020 dia nanangana ny fikambanana artistika atao hoe SAFARA eto New York, i tatie Fara sy Sandy, maman’ireo zafikeliko miaramila ao amin’ny tafika amerikana.

Angaha moa vitan’izany ?

Ny 06 oktobra 2021, dia tafahoana tamin’i Lala, zokin’i Tatie Fara aho. Ho an’izay misy tadidy dia anisan’ireo nively « batterie » tao amin’ny tarika « The Pumpkins » io Lala izay tsy hitako efa ho 50 taona lasa izay ! Nipetraka tao Ambondrona Antananarivo i Lala. Ny tadidiny dia ny fihaonanay farany tao amin’ny Hôtel Hilton Anosy, tamin’ny 1970 tany ho any…

Efa ela dia ela tokoa izy no teto New-York. Ireo ny sary fahatsiarovana izany rehetra izany.

Fa ny fehiny aloha dia izao : aza manao ratsy ihany eto amin’ity tany fandalovana ity.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 07 Octobre 2021 16:54 )