Alakamisy 19 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

NODIMANDRY I NADINE RAMAROSON

VIDEO : FANAMBARANA ARA-POMBA OFISIALY TAO AMINY TVM (Tsindrio eto)

ETO RAHA HIJERY NY BLOG MIKASIKA NY ASA VITANY VITSY VITSY

+ + + + + + + + + + + + +

NY FILAZANA MANJO

ANDRIAMANITRA no nanome ary Izy no naka ny malala tsy foiny


Nadine Laura Eugénie

Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Commandeur de l’Ordre National

Hoy :

Ny Ray aman-dReniny :

André sy Odette RAMAROSON

Ny Iray Tampo aminy :

– Danick sy Harry sy ny zanaka aman-jafiny

– Thierry sy Hanitra sy ny zanany

– Rado sy Joëlle sy ny zanany

– Corinne sy Emmanuel sy ny zanany (SUISSE)

Ny Iray Tampo amin’ny Rainy :

– Alain sy Olga sy ny zanany

– Frédérique sy ny zanany

– Raymonde sy ny zanany

– Josiane sy Marc

Ny Iray Tampo amin’ny Reniny :

– Hélène RATRIMOARINOSY sy ny zanaka aman-jafiny

– Etienne sy Evangeline sy ny zanaka aman-jafiny

– Christian sy Gabrielle sy ny zanany (FRANCE)

– Yves sy Georgette sy ny zanany (FRANCE)

– Marc sy Eliane (FRANCE)

– Jeannot sy Brigitte sy ny zanaka aman-jafiny (FRANCE)

– Ny Fianakaviana manontolo

– Ny Fiangonana FJKM Ambohipotsy

– Ny Fiangonana Andohalo Internationale

– Ny Fiangonana FJKM Andakana

– Ny Fokontany Alarobia Soavimasoandro

+ + + + + + + + + + + + + + + + + + +

FANAMBARANA AN-GAZETY

Fodiamandrin’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy

Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita mivady dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny Fianakavian’ny Ministry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, amin’ireo Mpiara-miasa aminy, miisa telo, sy amin’ireo Mponina ao Soanierana Ivongo, miisa fito, izay nodimandry tampoka noho ny loza an-dranomasina nitranga tany an-toerana.

Itompokovavy RAMAROSON Nadine dia iarahantsinika rehetra manaiky fa nahavita be tokoa teo amin’ny asa sy adidy izay nataony, izay tsy nitsaharany sy tsy nahalalany asasarana tamin’ny fikarakarana ny sosialim-bahoaka.

Izany rahateo no nampitoetra hatrany ny fitokisan’ny Fitondram-pajakana taminy ka nametrahana sy nanendrena azy hatrany nisahana io Ministera io.

Marihina moa fa teo am-panatanterahana izany adidny izany izy izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao.

Andriamanitra Andriananahary anie hanome fionana feno ho antsika tsirairay avy ho fiatrehantsika izao namoizana olo-mangan’ny Firenena izao.

Antananarivo, faha-28 Aogositra 2011

Ny Filohan’ny Fahefana Avo ny Tetezamita

RAJOELINA Andry Nirina

Articles similaires