Alakamisy 19 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Norbert L. Ratsirahonana : manazava tsara be ny mpahay lalàna

Norbert Lala Ratsirahonana

ETO NY ANARAN’IREO KANDIDA HO PRAIMINISTRY NY TETEZAMITA IARAHA-MITANTANA

Iza moa no tena mila fanazavana, mikasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ? Ny olom-pirenena malagasy fa tsy ny vazaha akory. Vazaha izay mahay tsara ny fandehany fa miandry ny fotoana fotsiny haniliana tanteraka an’Ingahy Ravalomanana. Izany no atao hoe politika avo lentan’ny tany tandrefana.

Ny alahady 13 martsa 2011 alina teo ary dia niaka-tsehatra tao aminy Televiziona Malagasy Atoa Norbert Lala Ratsirahonana,, mpahay lalàna, mpikambana tao amin’ny HCC, efa sady Filoham-pirenena no Lehiben’ny Governementa tamin’ny tetezamita 1996. Ankehitriny izy mpanolotsainan’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sady mpikambana ao amin’ny CST (Conseil Supérieur de la Transition). Koa iza no hahalala lalàna noho ny mpahay lalàna ? Mazava tsara be ny fanazavany. Ka io amina video io izany fanazavana izany. Niniako tsy nadika teny afa satria, ny Malagasy no hifidy fa tsy ny vazaha akory.  Ary raharaha “malgache-malgache” ihany koa no miandry ny tetezamita hiaraha-mitantana, fa mpanelanelana ihany fotsiny ireo vahiny.

Koa miainoa tsara fa tsy misy ompa ao na koa fitsikerana olona fa resak’olon-dehibe sy matotra fa tsy resaka forum’ny kanosa tsy mahalala na koa tsy te-hahalala ny zava-misy sy ny fiovana marina eto Madagasikara. Ny tsy aninona tsy aninona ihany no manam-potoana anao fitsikerana tsy mankaiza fa be karajy sy kajy toan’ny manao ariary zato eo am-pandriana fotsiny ihany.Farany : ho an’ireo Malagasy tsy mahay teny gasy (afa tsy teny ratsy) dia mba adikao satria tafiditra ao amin’ny Tantaran’i Madagasikara io horonampeo io.

TSINDRIO ETO NA EO AMIN’IO SARIN’ATOA RATSIRAHONANA AMBONY IO

Jeannot Ramambazafy – 14 martsa 2011

Articles similaires