Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Ady amin’ny piraty : fisavana tao amin’ny Super Music Analakely

Androany 17 octobre tamin’ny 9 ora sy sasany maraina dia nidina nanao « contrôle »tao amin’ny « Super Music » Analakely ny « Brigade Anti-Piratage » (BAP).

« Contrôle » roa no notanterahina tamin’izany:

1- « Hologramme »

2- Ny « contrat de vente » ahafahan’ny « Super Music » mivarotra malalaka ny entana rehetra izay mihodidina ny asa famoronana na ny vokatry ny artiste.

Araky ny lalàna noho izany dia tsy navela varotan’i « Super Music » mihitsy ny sangan’asa rehetra izay tsy nahitàna hologramme. Seho iray izay azo ilazana ny famokarana hira na horonantsary ho ara-dalàna.

Eo ho eo amin’ny 10.000 cd sy vcd eo no tonga ao amin’ny biraon’ny BAP.

Marihina anefa fa izay sangan’asa rehetra nivoaka talohan’ny fotoana nivoahan’ny hologramme dia naverina any amin’ny « Super Music » daholo satria tsy manana « effet rétroactif » ny lalàna mifehy ny « hologramme ».

Ireo ambiny, sisa, nivoaka taorian’ny « hologramme » kosa no tsy maintsy notazomina mandrapahavitan’ny trano mpamokatra voakasika voalohany mametraka io hologramme io.

Hatreto aloha, raha ny androany dia ny « Horizon Production », izay nahatratrarana ny sarimihetsika malagasy tsy misy « hologramme » ihany no mbola « ni-régularisé » ny entany. Ny ambiny rehetra dia miandry ny tompony.

Misy « DoSol » ao, « SM Production », « MadaPro », « JM Prod », « Scoop Digital », « Maxi Production », sns… Be dia be ihany koa ireo vokatra izay ny artista ihany no nanonta azy, koa dia hiandrasana azy ireo izany.

Lasa resa-be hoe maninona ny « original » eny amin’ny « Super Music » indray no raofina fa tsy ny piraty izay mameno ny ara-be.

Valiny : izay indrindra ny tetika hoentin’ny BAP miasa aloha. Diovina aloha ny mpamokatra rehetra dia mora kokoa avy eo ny manenjika ny mpivarotra madinika.

Bureau Anti-Piratage Communication – www.madagate.com

Articles similaires