Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

CJD: Hafatra ho an’ny Mpanao gazety Malagasy tsy an-kanavaka

Miarahaba anareo rehetra tompoko.

Misy hafatra izay avy amin’ny  “Club des Journalistes Doyen” ho an’ny mpanao gazety rehetra, natao androany Alakamisy 5 Janoary 2012 :

dia mirary soa tompoko


Ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) dia faly miarahaba ny namana Mpanao gazety rehetra nahatratra ny taona 2012.

Manoloana ny savorovoro mitranga eo amin’ny tontolon’ny Asa Fanaovan-Gazety amin’izao  fotoana izao, dia misy hafatra tian’ireo Mpanao gazety zoky ray aman-dreny ampitaina amin’ireo zandry – zanaka miasa eo amin’ny sehatry ny Fifandraisana sy ny serasera tahaka izao :

« Ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) dia miangavy ny andaniny sy ankilany tsy mifanara-kevitra :

* Mba hampitony ny fo mafana;


* Mba hifanatona ao anaty firahalahiana ka hiaraka hanondrotra avo ny Hasin’ny Asa Fanaovan-Gazety;


* Mba hampitsahatra ny fifanenjehana eo amin’ny Mpitondra sy ny Gazety, ery eo amin’ny samy Mpanao gazety.

Heverin’ny CJD fa ny vaha-olana hisedrana izany savorovoro izany dia ny famerenana ny fampijoroana ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety ao anatin’ny fotoana fohy.

Ny CJD dia vonona mandrakariva hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fandaminana sy ny fampiraisana hina ny Fianakaviamben’ny Mpanao Gazety ».


Ny Filoham-boninahitry  ny CJD             Ny Filohan’ny CJD


Moks RAZAFINDRAMIANDRA     Georges RAKOTONDRASOAVA

Articles similaires