Alakamisy 19 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Haja Rakotonimanga: nodimandry ny 22 Novambra 2012

Io ny hita eo amin’ny fonon’ilay rakikira voalohany (sy farany) navelan’i Haja Rakotonimanga

====================================

Fikasana tokoa ny an-raolombelona fa Andriamanitra no manapaka farany. Nodimandry, ny Alakamisy 22 Novambra 2012, tao amin’ny hopitaly Jospeh Ravoahangy Andrianavalona etsy Anosy, i Haja Rakotonimanga, mpitendry piano.

Vitsy no nahalala fa vadin’i Elsie mpihira i Haja ary manana zanaka vavy 12 taona izy roa. Nisy kaonseritra efa nomanina ho fanampiana azy amin’ny fitsaboana amin’ny Asabotsy 24 Novambra ao amin’ny « Piment Café » Behoririka, tontosaina miaraka amin’i Bodo. Voalaza fa ho tazomina ihany io kaonseritra io ka ny vola azo dia homena ny fianakavian’i Haja.

Dia maneho ny fiaraha-miory amin’i Elsie vadiny, ny zanany ary ny fianakavian’i Haja Rakotonimana izahay eto amin’ny www.madagate.com

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires