Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Photos

Georges Rakotondrasoava : Ankadivoribe Avatra – SARY 1

Alahady faha-23 Jona 2013. Dia tsara levenena tokoa ny havan-tsika ary henin-kaja tokoa isika mbola velona, ka dia misaotra ireo nanotrona tamboalohany ny fianakavian’i Georges Rakotondrasoa, mpanao gazety. Ho an’izay tsy afaka moa dia tsy misy tsiny mihitsy fa sarotra tokoa ny sady manao adidy no manatontosa andraikitra miaraka indray mandeha.


Tena ho an’ireo ankizy ireto tokoa ny antony nanaovako ity fahatsiraovana an-tsary ity

Ireto sary ireto dia atao fahatsiarovana ho an’ireo zafiafiny izay tena anisan’ny hanangana hoavy mamiratra ho an’i Madagasikara satria mino aho fa notezaina tao anatin’izany fitiavan-tanindrazana izany. Aza adino rankizy ny afatra napetraky ny Dadan’ny Dadabenareo. Ny ahy tsotra: mpanao gazety izy ary mbola mpanao gazety foana izy iny nandao antsika iny. Ka amin’ny maha mpanao gazety aho koa dia fianakaviako daholo ny fianakavian’ny mpanao gazety. Adidy ho azy ireo sy ho an’ny Tantaran’i Madagasikara mihitsy ireo sary ireo. Mbola ho avy koa ny videos mirakitra iny Alahady 23 Jona 2013 iny, niala ny Tranom-bokim-pirenena, nandalo tao amin’ny Fiangonana FKPM Ankasina Maritiora ao amin’ny 67ha, ary niafara tany amin’ny fasan-drazana tany Ankadivoribe Avaratra. Ity ny andian-tsary voalohany tany Ankadivoribe Avaratra. Ny Fitiavana, Tompoko, tsy sandaina vola raha mbola velon’aina aho, dia ho vavolombelon’ny Tantaram-pirenena hatrany, amin’ny alàlan’ny Teknolojia vaovao eo amin’ny lafiny sary sy horonan-tsary. Olom-pirenena i Georges Rakotondrasoava. Tsy azo adino velively izany anarana izany eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety malagasy.

Jeannot Ramambazafy

**************************

MANDRIA AM-PIADANANA RY ILAY MAHERO FO

 

Articles similaires