Alakamisy 19 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Interview

Mamy Ravatomanga: Aoka Hazava ! – AUDIO –

TSINDRIO ETO

Radio Viva. Fandaharana « Aoka Hazava ! », tamin’ny 6 Febroary 2013.

Manazava amin’ny teny malagasy ny Filoha-Tale Jeneralin’ny vondrona SODIAT, Mamy Ravatomanga (sary eo ambony), fa tsy mpanao politika izy fa mipetraka eo amin’ny toerany maha mpandraharaha azy ary vonona foana izy hanampy ireo mpitondra raha ilaina izany.

Izany dia eo amin’ny lafin’ny hai-tao sy traikefa izay ananany ao anatin’ny sehatra iasany. Tsy manana anjara toerana ao anatin’ity fitondrana Tetezamita ity izy.« Tsy Conseiller spécial » izany aho, hoy izy.

Raha mikasika ny fifandraisany amin’ny Filohan’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, dia nanazava izy fa mpandraharaha mifampinamana izy roa tonta. Rehefa ilaina dia manome toro-hevitra ny Filoha Rajoelina izy. Nefa tsy voatery arahin’ity farany izany. Mahaliana ilay fandaharana satria manitsy ny tsao aely etsy sy eroa, no ny fialonana sy ny alako bika tsy tiako tarehy.

Misy tokoa ampahana Malagasy manana talenta amin’io sojakin’ny fanenjehana io. Hentiny mankaiza anefa izany ? Toa ratsy fiafarana foana. Samia mandinika lalina e !

Maharitra 30 minitra mahery ny fanazavan’Andriamatoa Ravatomanga.

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires