Antananarivo lozam-piara-kodia. Miombo-po sy miara-ory amin’ireo ray aman-dreny namoy ny menaky ny aina izahay eto aminy madagate.org


Gina ny tena, tsy mahita zavatra hosoratany mihitsy eo anatrehan’ny loza tsy roa aman-tany niseho tamin’iny andron’ny 29 Avrily 2016 iny. Satria mba ray aman-dreny be ihany tena ary tsy misy sedra mafy eto an-tany noho ny fandevenana zanaka izay. Indrindra fa no ny tsy fitandreman’ny sasany. Koa dia ireo lahatsoratra nataon’ireo nanama ao amin’ny gazety « Sakamalaho » sy « Inona no Vaovao » no nindramiko satria aminy teny malagasy izy ireo, mba afantaran’izao tontolo izao ny tena zava-nitranga marina. Inona ny fepetra enjana ho raisin’ity fitondrana ity mba tsy hiverenan’izao loza be izao intsony? Tokony manokana andro iray izy aloha ho fisaonam-pirenena sady ny filoha Rajaonarimampianina toa nandalo teny amin’ny hopitaly HJRA. Fa aefako eto koa ny horonam-peo mirakitra ny fanambaran’ireo olo-tsotra eo anatrehin’ireo loza mahatsiravina ireo. Mila miandry aloha- Jeannot Ramambazafy
*************************


*********************************


