Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Ambohimalazabe. Manameloka ny fandoroana ny Rova ny Printsy Dr Ndriana Rabaroelina

Ny Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina

Ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara, tarihan’ ny Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina, dia manameloka ny Fandoroana ny Rova Ambohimalazabe, tamin’ ny Talata 10 Janoary 2017 alina;


ary mitaky ny Fanasaziana mafy ireo ati-doha nikotrika sy ireo mpanatanteraka rehetra tamin’ ny Fangalarana ny Satroboninahitry ny Mpanjaka Ranavalona I (2011) sy ny vakoka tao amin’ ny Rovan’ Antongona (2016) ary ny Fandoroana Rova tao Manjakamiadana (1995) sy ny Rova Ambohidratrimo (2015), ary ny Rova Ambohimalazabe (2017).

Ny Fiombonambe dia miantso ny tompontany tia tanindrazana rehetra hiray hina sy hiara-dia aminy ho fanoherana ny fanjakazakan’ ny vahiny sy ny fanapotehana ny vakoka ny firenena.

Antananarivo, 11 Janoary 2017.

Printsy Dr. Ndriana Rabarioelina,

Filohan’ ny Fiombonamben’ ny Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara

Articles similaires