Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Madagate.org: nodimandry ny renin’ny mpaka sarinay Harilala Randrianarison

Tantely amam-bahona tokoa ity fiainana eto an-tany ity. Ny Alarobia 4 Janoary 2017 no namangy ahy farany i Harilala ary nilaza fa hidina any Mahitsy izy satria tena tsy metimety mihitsy ny toe-pahasalamanan’ny reniny. Ny fianakaviany rehetra moa, tamin’ny volana Desambra 2016, dia efa nifanao fotoana fa hamangy azy ny Sabotsy 7 Janoary, hiarahabana azy tratra ity taom-baovao 2017 ity.

I Harilala namangy ahy ny 4 Janoary 2017

Kinanjo moa dia nodimandry ny Alakamisy 5 Janoary teo i Mama Vao. Io ambany io ny ferapara ary tsy hitako intsony izay lazaina fa fahoriana iaraha-mizaka satria i Harilala dia mpaka sary sy vidéo eto aminy madagate.org

Mandria am-piadanàna i Mama Vao.

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires