Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Rolly Mercia. Efa miseho masoandro amin’izay ny tetika hamonoany ny tenany

Araka ny fanadiadiana nataon’ireo namana mpanao gazety any Mahajanga dia maika be loatra ingahy minisitry ny Serasera Harry Laurent Rahajason na ilay mpanao gazeTy nalaza lasa nalazo tanteraka, ka ho votsitra daholo ny tombatombany ho lasa manefoefo toa i Mbola Rajaonah na koa Mbola Tafaray, ilay mpanolo-tsainan-dry Hery sy Voahangy Mivady. Toa diso manao izay mety loatra ka sady tsy manompo firenena no tsy manompo vahoaka ary tsy manompo ihany koa ny filoha Hery vaovao sy ny antoko Hvm fa dia manao ny politikan’ny « izaho samy irery ». Fa dia izy irery tokoa no ho tratra farany eo rehefa injay tonga ilay fotoana handaozana io fitondrana io. Alohan’ny handaozany ity tany fandalovana ity ka tsy n’inona n’inona ho entina any ankoatra any. Tsy maintsy ho avy ireo fotoana izany. Io manaraka io aloha ny tetika (fika hoy ny tanora) nataony tany Mahajanga tany.

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires