Alakamisy 19 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Lucien Irmah Naharimamy. Misaotra ny vahoakan’i Marolambo

Amin’ny anaran’ny vahoakan’ny Marolambo sy ny vahoakan’ny faritanin’i Toamasina iray manontolo dia misaotra anao izahay Andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ianao Andriamatoa Praiminisitra, amin’ny mbola nametrahanareo fitokisana amin’i Ramatoa Minisitra Lucien Irmah Naharimamy ny hitantana hatrany ny minisiteran’ny Mponina.

Fa tsy hadinonay ihany koa ny misaotra an’Andriamanitra satria izy no nandahatra izao rehetra izao. Miarahaba anareo voatendry ho minisitra ihany koa, ary mirary anareo ahavita antsakany sy andavany ny adidy aman’andraikitra rehetra mbola ho sahaninareo.


Ho an’i Ramatoa Minisitra Lucien Irmah Naharimamy manokana dia Andriamanitra anie no itahy sy hanoro làlana anao amin’izay rehetra mbola ho ataonao. Satria efa betsaka ny vitanao ary mbola maro ihany koa ny adidy miandry anao, mba ho fiahiana ny Mponina sy ny Vahoaka Malagasy iray manontolo.

Lindbergh Chrys Yves

Filohan’ny Departemanta TGV/MAPAR District Marolambo

Articles similaires