Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Razanadrakoto Mamirinina. Lasa i Tonton Mamy be vazivazy sy hatsikana

Tonton Mamy sy Toutou Lilie tamin’ny nandraisana azy mivady mpandray Fanasan’nyTompo

Antananarivo, Alakamisy 7 Febroary 2019. Nandao antsika taminy telo ora maraina ny havanay, Tonton Mamy (Razanadrakoto Mamirinina), rehefa tsy nahatsiaro tena (« dans le coma ») nanomboka tamin’ny 24 Janoary 2019. In-droa natao scanner ny lohany ka hita fa misy lalan-drà tapaka ao.


Ny Alahady 20 Janoary 2019 no nivory tao Ampandrana ny fianakaviana, nifampiarahaba tratry ny taom-baovao. Nandray gitara i Tonton Mamy ka ny hirany voalohany dia «Mifankatiava ihany». Vita ny asany taty ka lasa niala sasatra Ary i Tonton Mamy. Malahelo ny fianakaviana iray manontolo kanefa izay no lahatr’Andriamanitra izay isaorana nanome antsika an’i Tonton Mamy nandritra ny 53 taona. Raha oharina amiko izay 65 taona dia tanora dia tanora tokoa i Tonton Mamy izao nandao antsika izao.

TSINDRIO ETO HO AN’IZAY MANANA COMPTE FACEBOOK

Ny fahatsiarovako an’i Tonton Mamy ? Izy sy Toutou Lilie no nitondra aho tany Mahitsy tao amin’ny hopitalin’ny Sinoa, ny taona 2000 rehefa tapaka fanintelony ny « clavicule »-ko. Simca 1100 ny fiarany tamin’izay. Io fiara koa no nandehanay tany Ambatondrazaka ny taona 2005 hamonja raharaham-pianakaviana tao Ambongamaneno. Tena « aventure » tamin’izay fa tsy ho tantaraiko eto…

I Tonton Mamy dia be vazivazy ary be hatsikana. Raha tsy nanam-pahaizana tamin’ny « mécanique automobile » angamba izy dia mety ho nanara-dia an-dry Francis Turbo sy ny tariny. Fa toa avy amin’ny fianakaviany mihitsy izany be vazivazy izany.

Efa niady ny ady tsara tokoa i Tonton Mamy ka lasa niala sasatra

Efa tonga tao an-tranony ao Ampandrana, ny alakamisy 7 Febroary 2019 io ihany, taminy 6h30 maraina ny razana. Hoy i Jerôme Randria, mpihira tao amin’ny tarika « Ny Railovy », izay : « Veloma namako salut la compagnie ! ».

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires