Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Communauté Malagasy

Madagasikara. Antso ho an’ny Tily rehetra manoloana ny voina misy eto amin’ny firenena

Miarahaba an’ise amin’ny fo feno fitiavana sy amin’ilay naniraka antsika,
Iarahantsika mahalala ny «Andro ratsy» nandalo teto Madagasikara tamin’ity herinandro ity, izay niteraka voina maro hatramin’ny namoizana ain’olona. Indrisy nisy beazina «voronkely» (skoto protestanta zazavavy, 6-12 taona) aza tamin’ireo, ankoatr’izay mety tsy mbola fantatra.
Manao ANTSO AVO amintsika TILY rehetra manerana ny Nosy, mba hanao soroka miara-milanja, tongotra miara-mamindra, hanao ASA SOA sy HIROTSAKA amin’ny FIARAHA-MONINA izay misy antsika tsirairay avy. Tsy voatery hifampiandry sy hifampitaona isika fa araka izay tandrifiny avy, mandra-piandry ny fandaminana mety iarahana amin’ny Faritany.

Ho fijoroantsika vavolombelona dia samy hanao marika skoto isika mandritry ny fifanampiana, manao fehi-tenda ohatra, kanefa kosa tsy atao sakana raha toa misy asa maika mila irotsahana.

Manentana ny Ray aman-dreny, Sakaiza, Tranainy sy mpikambana rehetra, samy hanangona izay mety azo ifanampiana amin’ireny tra-boina ireny, ka samy handamina fotoana ny isam-paritany amin’ny fizarana izany amin’izy ireo, toy ny akanjo, kiraro, lamba, fitaovam-pihinanana, sy kojakoja ao an-tokantrano samihafa.

Tsy mitsahatra isika mivavaka ho an’ny Firenentsika, mba homban’Andriamanitra mandrakariva ny olony.

«Fitiavana ny namana, no ekeko izao»
Ny Tompo anie hanafy hery,
Tànana havia.
Michel RAOELIJAONA (Kalia MIARITRA)
Filoha Foibe Tily eto Madagasikara

* * * * * * * * *

Communiqué de presse | Appel à mobilisation

Tous les scouts Tily, dans toutes les régions de Madagascar touchées par les dernières intempéries, sont appelés à venir en aide aux communautés dans le besoin, et aux victimes dans leur entourage respectif.
L’engagement citoyen et l’entraide sont au coeur de la Promesse scoute, et une manière pour chaque jeune Tily de contribuer à l’atteinte des ODD.

Articles similaires