Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Madagasikara Coronavirus, 1 Aprily 2020, 12h. 54 ireo olona voamarina fa mitondra ny otrik’aretina covid-19

DIMY AMBIN’NY DIMAPOLO (54) no isan’ireo olona voamarina fa mitondra ny otrik’aretina covid-19. Ny 4 amin’izy ireo dia ireo antsoina hoe « contact ». Izany hoe Malagasy eto an-toerana tsy avy ivelany nandeha fiaramanidina na raoplinina fa nifampikasoka tamina olona avy ivelany tratra io covid-19 io. Ny 3 amin’izy ireo dia eto Antananarivo ary ny 1 any Toamasina.


Ny dikany dia miisa 6 ny totalin’ny Malagasy eto an-toerana misy ny otrik’aretina covid-19 ary efa tsaboina amin’ireo toerana voatokana ho an’izany. mino isika aloha fa mafy ny fanefitra na « anti-corps » ao amin-dry zareo. Satria na misy ilay otrik’aretina ry zareo dia salama aloha izy ireo. Izay no atao hoe « porteurs sains ».


Hatreto kosa aloha mbola tsy nisy ny aina nafoy noho ny coronavirus eto Madagasikara.
Ho antsika rehetra kosa dia averina eto hatrany ny hafatra mahomby indrindra :


AZA MIVOAKA NY TRANO MBA TSY HIFANENA AMINA OLONA CONTACT TSY AMPOIZINAO!

Jeannot Ramambazafy

Articles similaires