Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
A la une

Andry Rajoelina, Kandida laharana faha-3 : « Fihetsika mamoafady ny fiantsoana tafika avy any ivelany hiady amin’ny miaramila malagasy toy ny « Casque bleus » »


Famintinana ny lahateny nataony ny Alahady 08 Oktobra 2023 :

Manimba ny endriky ny firenena ny fihetsika ataon’ireo mpitady korontana sy savorovoro. Tsy tokony hanointohina ny filaminan’ny hafa ny hetsika fitakiana atao toy ny fanehoan-kevitra. Tompon’andraikitra tanteraka noho izany izy ireo amin’ny korontana amin’ny fihariana sy ny andavan’androm-piainan’ny Malagasy.

Tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy, ary tsy azo ekena ny fampifandrafiana ny samy Malagasy… Fihetsika mamoafady ny fiantsoana tafika avy any ivelany hiady amin’ny miaramila malagasy toy ny « Casque bleus » (Ttf : Tafiky ny Firenena Mikambana). Tsy miady an-trano akory ny Malagasy.

Afaka roa andro no hiatombohan’ny fampielezan-kevitra izay voafaritry ny Lalam-panorenana mazava tsara. Niantso fitoniana sy filaminana ny kandida Andry Rajoelina… Ny fifidianana ihany no hany lalan-tokana ametrahana ny safidin’ny Malagasy marina izay tiany hitondra ny fireneny.


Articles similaires