Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

André (ANDY) Rasolonjatovo. Nandao antsika ny 03 Jolay 2024

Izay no lahatra. Ny 04 Febroary 2024 izahay mirahalahy no nifankahita farany. Teny Ambohimiadana, Ampitatafika, tamin’ny nanasitrihina ny nofo mangatsiaky ny zandriny, Ratiarison Andrianjatovo (Ndriana), tao amin’ny fasan-drazan-dry zareo, rehefa avy natao veloma farany tao amin’ny Fjkm Ambohimiadana Fanilo. Araka ny nolazain’i Andy tamiko, dia izy sy Ndriana no tena anisan’ny angady sy vy nafahana nanavao io fiangonana io.


I Andy no zokiny indrindra amin’ny lahy, fa zandrin’i Monique (Mone) vavy matoa. Mihoatra ny 50 taona no nahalalako ny fianakaviana iray manontolo. I Richard no tena nihinana ny manta sy ny masaka niaraka tamiko. Fa nahalala ny ray aman-drenin-dry zareo aho, fony izy rehetra nipetraka tao Tsiazotafo.

Toa mia vitsy ny olona tsotra sy tsara fanahy toa izy mivady…

Rehefa avy nianatra tany ampitan-dranomasina aho dia nanomboka tsy nihaona intsony izahay. Nandeha be ny fotoana ary dia samy nanorina tokan-trano daholo, dia tsy nifankahita firy intsony. F’efa manana zafikely daholo izahay…

Dia izao atambatry ny fahafatesana vetivety indray. Saingy, indrisy : noho ny raharaham-pianakaviana efa nomanina efa ela be, amin’io andro sy ora voatondro ao amin’ny ferapara io, dia tsy afaka izahay mivady hanatitra an’i Andy eny Ambohimiadana. Miombo-po sy saina aminareo fianakaviana iray manontolo, tsy ankanavana izahay.

Eny, tsy isika mihitsy no mandahatra, koa mahaiza mifankatia hatrany raha mbola velon’aina. Dia handry ampiadanana i Andy sy ireo rehetra nialoha antsika lasa any amin’ny fiainan-tsy hita any, miandry ny fitsanganana indray, araka ny finoana Kristianina.

Indramiko, eto, ny ampahan’ny tokon-kiran’i Dadah (Mahaleo) avy any amin’i TINA (Christina), zanak’i Andy. Mbola zaza tokoa i Tina fony ny rainy niasa tany Toamasina, 40 taona mahery lasa izay. Tao amin-dry zareo aho no misakafo, indraindray, rehefa alahady.

Ninie sy Jeannot RAMAMBAZAFY

TSY MISY NY DORIA

Hiara-hiaina ny andro androany

Ho toy ny andro farany

Hiara-higoka izay mety ho mamy

Mandram-pahalefy ny tarany


Ny maso hikipy tsy hahita

Ho tapitra ny fofon’ aina

Ho hanenenana izay tsy vita

Fa any ankoatra tsy ho ilaina


Satria ny vintana sy anjara

no mamaritra ny dia

rahampitso ny lalantsika mety hizara

satria tsy misy ny ho doria


Satria ny vintana sy lahatra

Mety hamingana ny dia

Ny ho avy tsy voatery ho tonga lafatra

satria tsy misy ny doria

Dadah (Andrianabela Rakotobe) Mahaleo

Articles similaires