Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
A la une

Lapan’ny Tananan’Antananarivo, Zoma 07 Jona 2024. Fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahalaovantenan’i Madagasikara

« Malagasy miara-mientana amin’ny Fitiavan-Tanindrazana ». Io no tara-kevitrin’ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy izay natomboka tamin’ny fomba ofisialy, teo amin’ny Parvis eo alohan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo ao Analakely.


Lanonana fananganan-tsaina izay notarihan’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Christian Ntsay, izay nisolo tena ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, no nanokafana izany ny Zoma 07 Jona 2024 maraina.

Nanotrona izany lanonana izany teny an-toerana ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta, sy ireo tompon’andraikitra ambony, miaramila sy sivily.

Anisan’izany ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tanànan’Antananarivo (PDS), Andriamatoa Richard Ramanambitana izay nanambara fa tokony iray fo ny olom-pirenena malagasy rehetra, amin’ny fankalazana miaraka sy am-pifaliana ity faha-64 taona niverenan’ny Falaheovantena.

 

Ankoatra ny fananganan-tsaina sy ny dihy nataon’ireo tanora solontenan’ny lafivalon’ny Nosy dia nisokatra ihany koa ny fampirantiana momban’ny tantaran’ny Foloalindahy Malagasy izay tsy hifarana raha tsy amin’ny faha-25 jona 2024.

Jeannot Ramambazafy sy Andry Rakotonirainy

Articles similaires