Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
A la une

MADAGASIKARA. FANAMBARANA AVY AMIN’IREO VONDRON’ANTOKO POLITIKA MANOHANA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

 

Antananarivo, Alarobia 08 Janoary 2025

 

Rehefa nandinika ny toe-draharaha ankehitriny, ny vondron’antoko politika manohana ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia manao izao fanambarana izao:

FAMPANDROSOANA SY ASA VITA


 

Tao anatin’ny 6 taona nitondran’ny Filohan’ny Repoblika, dia hita ny ezaka lehibe natao hanarenana ny firenena taorian’ny fahavoazana lalina navelan’ny fitantanana tsy nahomby tany aloha. Ny fanavaozana natao dia niompana amin’ny:

– Ady amin’ny kolikoly sy fanodikodinam-bolam-panjakana.

– Fifehezana ny fitantanam-bolam-panjakana.

– Fanatsarana ny tsenam-barom-panjakana.

Na eo aza ny fahasahiranana, hita fa nisy ezaka voaporofo ho tombontsoan’ny vahoaka, araka ny tatitra avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI).

FANOHERANA NY KORONTANA


Toherina tanteraka ny fambolena fanakorontanana ara-politika izay mety hanakorontana ny filaminana sy hampiditra an’i Madagasikara ao anaty krizy vaovao. Nanambara mazava ny vondrona fa ny fitoniana ara-politika no antoka lehibe hahafahana mamaha ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy.

FAMPATSIAHIVANA NY TAREMARIKA ARA-TOEKARENA


Araka ny tatitra farany:

– Ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena (croissance économique) dia 4,5% tamin’ny taona 2024 ary vinavinaina ho 4,6% amin’ny taona 2025.

– Nihena ho 7,6% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana (taux d’inflation) tamin’ny volana Jolay 2024, ary tombanana ho mbola hihena hatrany amin’ity taona 2025.

ANTSO SY FANDRAISANA ANDRAIKITRA


Ny vondron’antoko dia:

1. Manohana tanteraka ny ezaka ataon’ny Filoham-pirenena hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka.

2. Manainga ny tompon’andraikitra rehetra, olom-boafidy sy olom-boatendry, mba hanatanteraka haingana ny asa sy toromarika napetraka.

3. Miantso ny mpitandro ny filaminana mba hanao ny asany amim-pahamalinana sy hanasazy ireo mikotrika korontana.

4. Manentana ny vahoaka mba tsy ho voasarika amin’ny fandranitana mety hanimba ny firenena.

FIRAISANKINA SY FANOHIZANA NY EZAKA

Mbola adidin’ny rehetra ny miara-miasa amin’ny Filoham-pirenena amin’ny fanarenana ny firenena sy famahana ny olan’ny vahoaka. Miantso ny mpiray tanindrazana izahay mba hifikitra amin’ny filaminana sy ny fitoniana, izay antoky ny fandrosoana maharitra.

Ny Vondron’Antoko Politika Manohana ny Filoham-pirenena:

• ADN, AKFM, AVI, FREEDOM, TGV, RPSD, Ny Fireneko, sns.

• Ny senatera sy depiote manohana ny fitondrana.

• Mpikambana avy amin’ny antoko LEADER FANILO.

Articles similaires