Ady amin’ny piraty : fisavana tao amin’ny Super Music Analakely
Androany 17 octobre tamin’ny 9 ora sy sasany maraina dia nidina nanao « contrôle »tao amin’ny « Super Music » Analakely ny « Brigade Anti-Piratage » (BAP).
« Contrôle » roa no notanterahina tamin’izany:
1- « Hologramme »
2- Ny « contrat de vente » ahafahan’ny « Super Music » mivarotra malalaka ny entana rehetra izay mihodidina ny asa famoronana na ny vokatry ny artiste.
Araky ny lalàna noho izany dia tsy navela varotan’i « Super Music » mihitsy ny sangan’asa rehetra izay tsy nahitàna hologramme. Seho iray izay azo ilazana ny famokarana hira na horonantsary ho ara-dalàna.
Eo ho eo amin’ny 10.000 cd sy vcd eo no tonga ao amin’ny biraon’ny BAP.
Marihina anefa fa izay sangan’asa rehetra nivoaka talohan’ny fotoana nivoahan’ny hologramme dia naverina any amin’ny « Super Music » daholo satria tsy manana « effet rétroactif » ny lalàna mifehy ny « hologramme ».
Ireo ambiny, sisa, nivoaka taorian’ny « hologramme » kosa no tsy maintsy notazomina mandrapahavitan’ny trano mpamokatra voakasika voalohany mametraka io hologramme io.
Hatreto aloha, raha ny androany dia ny « Horizon Production », izay nahatratrarana ny sarimihetsika malagasy tsy misy « hologramme » ihany no mbola « ni-régularisé » ny entany. Ny ambiny rehetra dia miandry ny tompony.
Misy « DoSol » ao, « SM Production », « MadaPro », « JM Prod », « Scoop Digital », « Maxi Production », sns… Be dia be ihany koa ireo vokatra izay ny artista ihany no nanonta azy, koa dia hiandrasana azy ireo izany.
Lasa resa-be hoe maninona ny « original » eny amin’ny « Super Music » indray no raofina fa tsy ny piraty izay mameno ny ara-be.
Valiny : izay indrindra ny tetika hoentin’ny BAP miasa aloha. Diovina aloha ny mpamokatra rehetra dia mora kokoa avy eo ny manenjika ny mpivarotra madinika.
Bureau Anti-Piratage Communication – www.madagate.com