Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Madagasikara Mozika : S.O.S Haja Rakotonimanga

Tolo-tanana ho an’i Haja Rakotonimanga (Claviste)

Hiantsehatra ao amin’ny « Piment Café » i Bodo Razafindrazaka

Bodoharisoa Razafindrazaka

Mpitendry vata maroafitsoka isan’ny manana ny maha-izy azy i Haja ary eo amin’ny sehatry ny Jazz no tena ahafantaran’ny maro azy, efa an-taonany maro ihany koa izy no nanara-dia an’i Bodo, teo amin’ny vata maroafitsoka ihany. Tafalatsaka anaty aretina mafy izy ankehitriny, aretina izay nidirany ao amin’ny sampana « Réanimation », ao amin’ny HJRA Anosy.

Mila manaraka « traitement » isan’andro izy ka manodidina ny 200.000ar isan’andro ny vola ilaina amin’izany fitsaboana azy izany. Araka ny fantatra dia tsy maintsy mbola hiatrika fandidiana lehibe izy atsy ho atsy, fandidiana izay azo antoka fa ilàna vola betsaka ihany koa.

Haja mitendry any Andafy…

Entina indrindra hanampiana ireo namany sy ny fianakaviany amin’ny fitsaboana an’i Haja dia hanao cabaret i Bodo ny sabotsy 24 Novambra alina izao, amin’ny sivy ora, ao amin’ny « Piment Café » Behoririka. Any an-toerana no ahafahan’ireo malala-tànana miserasera mivantana amin’ny fianakaviany na i Bodo mihitsy ka manolo-tànana azy ireo amin’izao voina mahazo an’i Haja izao. Dia misaotra mialoha, tompoko, satria ny firaisan-kina no hery voalohany amin’isika Malagasy.

www.madagate.com

Articles similaires