Haja Rakotonimanga: nodimandry ny 22 Novambra 2012

Io ny hita eo amin’ny fonon’ilay rakikira voalohany (sy farany) navelan’i Haja Rakotonimanga

====================================
Fikasana tokoa ny an-raolombelona fa Andriamanitra no manapaka farany. Nodimandry, ny Alakamisy 22 Novambra 2012, tao amin’ny hopitaly Jospeh Ravoahangy Andrianavalona etsy Anosy, i Haja Rakotonimanga, mpitendry piano.


Vitsy no nahalala fa vadin’i Elsie mpihira i Haja ary manana zanaka vavy 12 taona izy roa. Nisy kaonseritra efa nomanina ho fanampiana azy amin’ny fitsaboana amin’ny Asabotsy 24 Novambra ao amin’ny « Piment Café » Behoririka, tontosaina miaraka amin’i Bodo. Voalaza fa ho tazomina ihany io kaonseritra io ka ny vola azo dia homena ny fianakavian’i Haja.
Dia maneho ny fiaraha-miory amin’i Elsie vadiny, ny zanany ary ny fianakavian’i Haja Rakotonimana izahay eto amin’ny www.madagate.com
Jeannot Ramambazafy