Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Annick (Pé) Ramarosaona Ranaivo: nandao ity Tany fandalovana ity

***************************************************************************************************

F I S A O R A N A

· Ny vadiny : Franck Ramarosaona

· Ny zanany : Antoine Aina, Ludivine Lalaina

· Ny Rafozany : Zaïveline Razafindrakotohasina

· Ny Fianakaviana manontolo

Dia misaotra sy mankasitraka feno

Ny Filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita

Ny Pariministra, Lehiben’ny Governementa

Ny Groupe Andriantsitohaina

Ny Rotary Club eto Antananarivo

Ireo Havana sy tapaka, mpiara-miasa, mpiara-mivavaka, nampahery sy nitrotro am-bavaka ary nanohana tamin’ny namoizany ny malalany :

Annick Voahangy Faramalala Ramarosaona

(Pé)

Teraka Ranaivo

Ary miala tsiny indrindra amin’ireo izay tsy tratr’antso noho ny hafenoan-drano be loatra.

 

***************************************************************************************************

Ny namana Alain Ranaivo

Na dia fantatra aza fa làlana tsy maintsy hiafaran’ny zanak’olombelona ny fahafetesana dia mba taitra ihany ny tena.

Square Poincaré Mahamasina, classe de 5ème1,
Promotion 1970-1974 (Photo envoyée par Rémi de Belgique)

Satria, ankizy nianatra tao amin’ny Square Poincaré Mahamasina i Annick (Pé). Izaho moa efa kilasy ambony (3ème) fa io izy amin’ny sary (eo ambony ampovoany). Zanak’i Norbert Ranaivo nalaza tamin’ny Agence de voyages sy Transit, tamin’ny taona 1970, ary anabavin’i Alain Andrianirina Ranaivo izay namana.


Ny namana Franck Ramarosaona

I Franck Ramarosaona vadiny indray dia tapaka sy namana efa ela. Ary dia lasa nanao gazety ihany koa izy. I Franck Ramarosaona (tsy afangaro amin’ny namana Franck Raharison) dia tena nanavotra ny aiko tamin’ireny korontana tany Diego izay nanenjehan’ny federalista ahy, ny taona 1991. Raha tsy teo tokoa izy dia efa tsy teto intsony koa aho satria nahery vaika tokoa ny “tolona” tamin’izany.


Franck sy Pe

Azo lazaina izany fa tena anabavy tokoa no nandao ity tany fandalovana ity. Miala tsiny amin’i Franck sy Alain raha tsy afaka manotrona mivantana ny tenako satria mbola manaraka “traitement médical”… Na izany aza, amin’ny anarako manokana sy amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate.com dia miombom-po amin’ny fianakavian’izy mivady iray manontolo izahay. Ny Tompo anie homba anareo ary hitondra fampiononana feno ny herin’ilay Fanahy.



Veloma ry Pe ! Nialoha làlana anay izay mbola velona ihany ianao, ka hihaona indray isika, ao anatin’ny finoana maha Kristianina ny Kristianina


Jeannot RAMAMBAZAFY – 25 Jolay 2013

Articles similaires