Ekena ho Sinodam-paritany ny FJKM aty an-dafy hoy ny filoha Lala Rasendrahasina

Sary : Mpitandrina Max Randriamora sy ny Filoha Birao Foibe FJKM Lala Rasendrahasina

Nanao fanamarihana mikasika ny maha samihafa amin’ny rafitry ny fiangonana protestanta frantsay ERF (Eglise Réformée de France) sy ny fiangoanana FPMA aty andafy ny filoha Lala Rasendrahasina. Amin’ny rafitra FJKM dia Mpitandrina izay olona voahosotra sy navita fiofanana amin’ny asa fitoriana ny soratra masina no tena lohan’ny fiangonana. Io dia fomba nolovaina tamin’ny firehana Kalvinista protestanta araka ny rafitra presbiteraly sinodaly. Ao amin’ny fiangonana dia miara mitondra sy miara-manapakevitra ny Mpitandrina sy ny Laika. Tsy misy fanapaham-kevitra an’y olon-tokana ary izay zavatra rehetra tapaka dia nakana ny hevitra an’ireo ambaratonga samihafa.

Ao amin’ny ambaratonga fototra antsoina hoe fitandremana : ny rafitra dia mitsinjara telo (I-1) Birao, sy ny (I-2) Mpihevi-draharana ary ny (I-3) Fivorian’ny Fandraisana ny fanasan’ny Tompo.
Ao anatin’ny sinodam-paritany kosa izany ambaratonga afovoany dia misy ihany koa izay ambaratonga telo izay : (II-1) Biraon’ ny Sinodam-paritany, (II-2) Mpihevi-draharahan’ ny sinodam-paritany, (II-3) Komity lehiben’ny sinodam-paritany.
Amin’ny rafitra foibe izay ambaratonga fara-tampony dia mbola voahaja ihany koa io fitsinjarana andraikitra mifameno ireo : (III-1) Birao Mpiandraikitra foibe, (III-2) Mpiandrikitra foibe izay ahitàna ny solotenan’ny FJKM aty an-dafy anakiroa: Pasteur Max Randriamora sy Atoa Rabarijaona ary farany (III-3) Sinoda lehibe.
Tsimaintsy miaraka ny finoana sy ny fitaizam-panahy ary andraikitry ny sinodam-parintany no mampijoro io amin’ny fitandremana rehetra, satria tsy lavina fa misy ihany koa ireo lesoka mbola mila arenina. Raha misy fiangonana maniry ny hiditra FJKM aty ivelan’i Madagasikara dia ny sinodam-paritany miahy ny faritra no mandinika izany.
Nanome hazavana vaovao tokoa ho an’ireo izay nanatrika ny valim-panontaniana nomen’ny filoha FJKM. Misoritra mazava daholo ny fiaraha miasan’ny FJKM hoy izy amin »ireo fiangonana rahavavy mpikambana ao anaty FFKM (Fiombonan’ny Finonana Kristiana Malagasy) dia ireo fiangoanana efa tonta : Anglikana, EKAR, (Eglizy Katolika Romana) FLM (Fiangonana Loterana Malagasy) sy ny FJKM. (Fiangonan’i Jososy Kristy eto Madagasikara) Miara miasa izy rehetra ireo hanabeazam-boho ny finoana sy ny fijoroana ho kristiana ami’ny fiainana andavan’andro.
Nangonin’i Augustin Andriamananoro – www.madagate.com
Naka ny sary Bloum d’Alasora


Sary : Mpiangona FJKM Montrouge sy Wagner : Ratoa Nivo Ralainarivo, Aroa Bary


Sary : Ireo kristiana FJKM – Fiangonana teto Parisy



Sary : Atoa Josephin Andriatafika – filohan’ny fikambanana AOV – FJKM Vinany Tempoly Malala
Sary : Ratoa Lilia Ratsimbazafy tafo FPMA Melun

Sary : Ny filohan’ny tafo FPMA Melun Andry Andrianavelasoa miaraka amin »ireo Mpitandrina FJKM

