Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Communauté Malagasy

Madagasikara Frankofonia. Fianakaviam-be tokoa…

Ny fikarakarana ny Fivoriam-ben’ny Frankofonia dia resaka fianakaviana tokoa e!

Izao aloha ny voalazan’io Tale jeneralin’ny Seimad (société d’équipement immobilier de Madagascar) io, mikasika ilay « village de la Francophonie » etsy Andohatapenaka, tamin’ny volana Janoary, talohan’ny fandalovan’i ramatoa Michaëlle Jean (22-23 Marsa 2016) izay hiverina aminy volana Jolay:


« Tsara ho fantatry ny olona rehetra fa fiaingana amin’ny fampandrosoana ny firenena, endrika iray ho fampandrosoana ny firenena ity « village » ity, nangatahin’ny Frankofonia ny fiariana ny fiarian-karena malagasy. Manitikitika ny maro hoe : manomboka ve ny « village »-ny Frankofonia ; ho vita ve ? Ho vita ny « village »-ny Frankofonia. Efa manomboka ny « fondations » izay izao dia ny « gros œuvres », « fin juillet » no ho vita ; dia ny « finitions » amin’ny voalohan’ny volana avril.


Ity zavatra rehetra hitanareo ity, ny Seimad no mikarakara azy, ny fanamboarana sy ny tompon’ity toerana ity. Dia hapetraka eo ampela-tànan’ny fanjakana manditra ny fotoana izay hisy ny « évènement » eto Madagasikara, dia izahay ihany no hikarakara azy. Izay ny zava-dehibe mila fantatry ny vahoaka malagasy rehetra. Tsy ho an’ny vahiny akory ny zavatra amboarina eto fa ny Malagasy ihany no ho tompony. Ny « appartements » atao eto dia hamidy amin’ny olona rehetra eto Madagasikara « Ttf : ay fa tsy ny Malagasy rehetra? Samihafa mantsy izany).

Olivia Ratsiferana

Fa iza moa i ramatoa Olivia Ratsiferana? Ekena fa mànana ny «Master en administration des affaires, Gestion des Entreprises» avy tao amin’ny «Université Paris 1 Panthéon-Sorbonne» izy. Fa anabavin’ingahy Hugues Ratsiferana, Tale Jeneralin’ny Air Madagascar, tsy nahomby fa lasa mpanolo-tsaina manokana ny filoha Rajaonarimampianina ary, indrindra indrindra, filohan’ny filan-kevitry ny fanarahana ny fivoriam-ben’ny Frankofonia (« Président du Comité National d’Orientation du Sommet de la Francophonie »).
Ity koa anie no tokony ho fantatry ny vahoaka malagasy e! Manana izany orinasa « SAKAF’O SARL » izany ingahy Hugues Ratsiferana. Mazava angamba ny antom-piveloman’io orinasa io. Fa tsy sakafo ho an’ny vahoaka malagasy mihitsy ny vokariny ao… Ho lasa lova tsy mifindra ho an-dry zareo mpitondra Hvm lahy ity Madagasikara ity. Marina moa.


Rivo Rakotovao, andriamatoa « projets présidentiels » sady Filoha nasionalin’ny antoko Hvm

Ny Seimad izany no handray tanteraka ny asa rehetra. Seimad izay eo amban’ny fiahian’ny ministera tarihin’ingahy Guy Rakotovao misahana ireo antsoina hoe « projets présidentiels ». Dia fianakaviam-be tokoa ity resaka Frankofonia ity eto Madagasikara e! Ny indro be dia ity : tsy misy mahalala, hatreto, hoe ohatrinona ny vola ho lany ary avy aiza. Ny an’i Ramatoa Michaëlle Jean, Sekretera jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF) dia tsotra ny teniny, izay lasa litania mihitsy: «Madagasikara no nangataka io fivoriam-be io; Madagasikara no nahazo azy…». Ny tohiny dia manasa tanàna izy ary tsy te-hahalala amin’ny fomba ahoana no hanatanterahin’ny fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina azy. Ka raha « je m’en lave des mains » ny azy, ny an’ny mpitondra indray dia « la fin justifie les moyens ». Ny porofo dia tsy nitsidika akory ny tao Andohatapenaka i ramatoa Jean tamin’ny fandalovany teto, satria fotaka no tena mbola mandrakotra ilay toerana.


07 septambra 2015. Mbola tsy tafatsangana akory ireo trano amin’ity « Résidence Ainga » ity dia efa voafandrika daholo, ka manomboka eo amin’ny 120 tapitrisa ariary (na 38.000 euros) ny vidin’ny trano iray. Iza ny Malagasy « rehetra » hatakatra izany e!? Eo afovoany, ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo, efa Tale jeneralin’ny Seimad…

Na izany aza dia ho tontosa -ary tsy maintsy ho tontosa- tokoa izany io fivoriam-be io ary hitsangana ireo trano handraisana ireo vahiny ireo amin’io volana Jolay io. Ny fiainana anefa mitohy ary hitohy. Aoriana kely fotsiny isika Malagasy no hijinja ny ratsy rehetra haterak’ireo peta-toko sy fisehoana ivelany ireo. Ny any mazava aloha dia mandainga i ramatoa Olivia Ratsiferana fa tsy ho an’ny Malagasy rehetra velively ireo trano ireo. Ohatra mivaingana izay efa nitranga: iza izao ny mibahana ao amin’ireo trano namboarina tamin’ny Lalaon’ny Nosy ao Ankorondrano, ny taona 1990? Malagasy « rehetra »?… Asa koa raha tena hampandroso ny fiarian-karenan’ny Malagasy tokoa io. Ny zava-misy hatreto aloha dia mia-mahantra velona ny ankamaroan’ny Malagasy ary tsy hisy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro izany « Sommet de la Francophonie » izany. Na izao, na afaka folo taona. Ry Hvm mianakavy foana no hibahana ao. Ka raha vao tsy miditra ao amin’io antoko io ianao dia tsy kaonty. Eisy e!

Toa vao omaly izany hoe « Pisodia izahay mandrapahafatinay » izany…


Izao ny zava-misy marina raha ny eto Antananarivo aloha no resahina. Asaivo mandalo any ny mpiara-miasa amin’i Michaëlle Jean, fa miadana tokoa ny Malagasy

Jeannot Ramambazafy – 28 Marsa 2016

*****************

Dia resaka fianakaviam-be tokoa… ary aminy teny frantsay

Catégorie : Politique
Publication : 30 mars 2016

*****************


297 logements de type F4, F3, F2

Studios étalés sur 7 étages

Espace commun en rez-de-chaussée pour accueillir une galerie d’expositions et des pavillons

Complexe comportant un centre commercial

Espace vert et de loisir

Hôtel  4 étoiles de 100 chambres

Salle de cinéma

Articles similaires