Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Photos

Antananarivo, 13 Mey 2016. Tsy adino ny mpianatra maty 44 taona lasa izay

ATO NY VIDEOS REHETRA

13 Mey 1972. Raha 13 taona i Vahombëy tamin’izany, izaho kosa 18 taona. I Willy O là là zokiko kely fotsiny. Fa mbola velona daholo izahay. Ary tsy manadino satria teo anoloan’io Lapan’ny tanàna izahay mpianatra nangataka ny famotsorana ireo namana nosamborina ny alin’ny 12 Mey. Anisan’izany i Willy O là là. Ny setriny ? Tifitra variraraka nataon’ireo FRS. 44 taona izay no lasa. Matahotra fatratra izany hoe 13 Mey izany ry Rajaonarimampianina sy ny forongony. Any ny heriny dia nampiseho fa voabaikony daholo ny tompom-basy hatreto. Fa mba nitandrina ihany ka tsy ingahy Jeneraly Florens Rakotomahanina sy ny redirediny (« tsy hitsisy » hono izy e !) fa ny Kolonely Ravoavy. Ka dia isaorana eto izy satria tena nanome haja an’i Richard Ratsimandrava izay zandary ihay koa. Tsy nisy ny lacrymogènes, tsy nisy ny vovoka mahasempotra. Fa ianareo miaramila kosa: mba henoy ihany, tsindraindray ny hiran-dry Mahaleo ry miaramila izay mivoaka avy any amin’ny vahoaka fa tena hanahirana atsy ho atsy.

Jeannot Ramambazafy – Harilala Randrianarison – Haja Randria

Articles similaires