Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Antananarivo Frankofonia. Mitohy ny fiadian’ny mpitondra amin’ny mpiray tanindrazana

Fiaraha-mientana izy ity satria efa diso tafahoatra loatra ny afitsok’ity fitondrana Hvm/Rajaonarimampianina ity. Iza marina no tompon’ny tanindrazana ka dia atao tsinontsinona ireo mpanao gazety malagasy tokony hanome vaovao marina ho an’ny vahoaka? Fa mihevi-tena ho inona loatra ireto miseho mpitondra nampindramina fahefana ka dia manapatra izany tokoa, tsy asiany fetrany mihitsy fa mitombo andro aman’alina? Miantsy, mila ady, mangalatra, mandainga, mamorona. F’angaha ianareo ho eo foana mandrakizay e? Ny vy mety arafesina, ny olombelona tsy maintsy ho faty sao koa manantena fa ho adinon’ny Tantara ianareo mpambotry firenena sy mpanambany ny vahoaka malagasy ka ao anatin’izany vahoka izany ny mpanao gazety? SSsssss… Frankofolia tokoa izy fa tsy Frankofonia intsony. Dia inona indray ny manaraka?


TADIDIO LALAN-DAVA RY MPAMARINA AN-KADY SENDRA MISERANA IHANY FA NY OLONA AZO VONOINA, AZO GADRAINA FA NY HEVITRA MITOETRA MANDRAKIZAY. TSY METY NY ATAONAREO ARY TSY MAINTSY AMBARA AMIN’NY AMBAN’NY LANITRA REHETRA. REHEFA TSY MISY HENATRA INTSONY, REHEFA TSY MATAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA INTSONY, ADIDY MASINA NY ANAY MPANAO GAZETY TSY VOAVIDY VOLA SY NY MALAGASY SAHY MIJORO SY TENA TIA TANINDRAZANA EO ANATREHINA TOE-JAVATRA MANTSINA BE.


Jeannot Ramambazafy – 22 Novambra 2016


Articles similaires