Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Communauté Malagasy

Zafy Albert. Fisaonam-pirenena: ny praogramam-panjakana

Ny Praiminisitra Olivier Mahafaly sy solontan’ny fianakavian’ny Profesora Zafy Albert

Tsy maintsy miteny sy mampita ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Izany koa anisan’ny asana mpanao gazety. Vaka ny ankamaroan’ny Malagasy n’inona n’inona izay filazan-dry matihanina isany. Filoha voafidy nitondra firenena teo aloha ve no nodimandry dia tsy nanana na iray segondra akory aza ity filoha am-perinasa? Fa dia ny Praiminisitra no navelany teo na dia tsy anjarany izy samy irery asa izany adidy goavana sy masina izany. Soa fa nandray andraikitra ity farany. Iza koa moa no afaka omeny andraikitra eo, satria izy no Praiminisitra ao amin’ny fahefana mpanatanteraka (Premier ministre exécutant de l’exécutif)?

Fa dia mpitondra ahoana loatra va re ity Hery Rajaonarimampianina ity e? F’angaha ny Malagasy lasa miady amam-paty indray amin’ity repoblika faha-efatra efa sadasada be ity? – Jeannot Ramambazafy –

Ttf: Niteny ihany ingahy filoha Hery, androany 13 Okotobra 2017 hariva, fa tsy nihoatra ny roa minitra ny teniny. Asa, vontom-pahoriana be loatra?

Hoy tokoa izy mantsy :

Ry Vahoaka malagasy,
Amin’alahelo tokoa no nandrenesana ny fodiamandrin’ny Profesora ZAFY Albert androany tany amin’ny Nosy La Réunion.
Very olomanga ny firenena satria Filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’ny taona 1993 ny filoha Zafy Albert, ary niady sy nandala ny demokrasia sy ny fihavanam-pirenena.
Koa amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy, amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana iray manontolo, sy amin’ny anaran’ny tenanay manokana, no itondranay ny fiaraha-miory amin’ny vadiny sy ny zanaka aman-jafiny ary ny fianakaviana, mangataka ny fitahian’Andriamanitra mba hampahery azy ireo hatrany.
***************

Articles similaires