Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Communauté Malagasy

Antananarivo. CJD sy ny Raharahampirenena. Adihevitra arahin-tsakafo

Ny Filoha SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA eo faran’ankavia eo amin’ny sary


VONDRON’NY MPANAO GAZETY ZOKIOLONA

FANASANA

Voninahitra ho an’ny Vondron’ny Mpanao Gazety Zokiolona na Club des Journalistes Doyens izay tarihin’ny Filoha SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA ny manasa antsika rehetra hanatrika ny Adihevitra arahin-tsakafo ao amin’ny INPF Mahamasina ny atoandron’ny Sabotsy 25 Novambra 2017.

Hifantohan’ny Adihevitra ny Raharahampirenena amin’ny alalan’ny fifanakalozankevitra hiainga amin’ireto fanontaniana ireto :

– Inona no andrasan’ny Vahoaka amin’ny Mpitondra Fanjakana ?

– Inona no andrasan’ny Mpitondra Fanjakana  amin’ny Vahoaka ?

Hanafana ny fotoana ombieny ombieny ny Tarika TAFASIRY KOLO KANTO izay vao nanamarika ny fahadimy taonany.

Koa tongava maro fa miandry antsika ny Firenena.

SOLO NORBERT ANDRIAMORASATA

FILOHAN’NY VONDRON’NY MPANAO GAZETY ZOKIOLONA

ANTANANARIVO faha – 14 Novambra 2017

Articles similaires