Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Manifestation

Madagasikara. Fitondrana Hvm mamono olona ary miady amam-paty

Tena izay tsy nitomany omaly teo Analakely aloha dia sady fo vato no devoly latsaka an-tany. Izay ihany. Torak’izany koa ireo hikasa na efa nanoranora-poana sy niteniteny izay saim-pantany: tsy papanareo, tsy zanakareo, tsy havanareo koa moa no maty voatifitra ny sabotsy 21 Avrily 2018 mantsy ô ? Mandini-tena ary tsarovy ny ratsy natato rehefa handondom-baravarana ao aminareo Rafahafatesana.Tena tezitra aho fa kosa tsy hanota toa anareo satria matahotra an’Andriamanitra ny aty aminay.

Ka tsy ho asiako resa-be intsony fa avelao ny sary hiteny. Ho avy manaraka ihany ny vidéos.


Fa nazava ny fanambaran’i Fiandraza, Lehibem-paritra teo aloha avy any Ambovombe. Ingahy Hery Rajaonarimampianina no nanome baiko nampamono sy nampandratra ireo olona ireo. Ary miombon-kevitra amin’ny maro an’isa izy fa tokony mametra-pialàna i Hery satria na hitady fifampiresahana dia efa tara loatra satria tsy hisy olona handray ny tanàny mihosin-drà (lio). Henohy izy io ambony io.

Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Articles similaires