Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Photos

Filoha Andry Rajoelina, 29 mars 2020. Nanatontosa ny adidiny amin’ireo Mahery Fo teny amin’ny Mausolée

Noho ilay coronavirus mandripaka maneran-tany ka anisan’izany ny Nosy malalan-tsika Madagasikara ity, dia faran’izay tsotra tokoa ny fahatsiarovana ny andron’ny 29 marsa 1947 tamin’ity taona 2020.

Izany anefa tsy nanakana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina nanatontosa ny adidiny amin’ireo Mahery Fon’ny Tanindrazana malagasy, tetsy amin’ny Mausolée avaratr’Ambohitsaina.

Ary izao ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny pejiny Facebook ofisialy, androany 29 marsa 2020 :

“Lova napetrak’ireo mahery fo ho antsika ny fitiavan-tanindrazana. Tsaroantsika mandrakizay izy ireo sy ny ady natrehiny.

Ary ankehitriny dia anjarantsika indray izao ny maneho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana manoloana ny ady ataontsika. Ho an’ny Tanindrazana!”.

Ity manaraka ity kosa no nosoratany tamin’ny teny frantsay ao amin’ny kaontiny Twitter :

Jeannot RAMAMBAZAFY

29 Marsa 2020

Articles similaires