Madagate affiche
Aimé Fidèle Razafintsalama. Ny ferapara nahalasan’ity namako tamin’ny fahatanorana

Lasa ny namako Fidèle. Tsy fantatry ny vady aman-janany aho satria tanora mpitovo izahay no nifankahalala. Avy eo dia samy nandeha samy nitady ara-bakiteny…
Mitovy taona izahay roalahy, samy tao amin’ny Lycée Gallieni Andohalo. « Ankizy » tao Tsiazotafo izy ary tia fanatanjahantena tokoa. Indrindra fa ny Handball (teny alema io fa tsy teny anglisy akory).
Tsy hitako intsony izay ambara fa dia maneho ny fiaraha–miory amin’ny vady aman-jafin’i Fidèle aho, amin’ny anaran’ny ekipan’ny madagate sy amin’ny anarako manokana.
Mandria am-piadanana leitsy Mémé a !
Jeannot Ramambazafy
