Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Madagate affiche

Liz Truss. Iza moa ity vehivavy Praiminisitra fahatelon-dry zareo Anglisy ity?

Ny 5 Septambra 2022 dia voafidy ho lehiben’ny antoko “conservateur” (mitana ny fomba amam-panao nantim-paharazana) i Liz Truss ary lasa Praiminisitry ny Anglisy, nandimby an’i Boris Johnson. Iza moa izy ?

Mary Elizabeth Truss no tena anarany. Teraka ny 26 jolay 1975 tao Oxford izy. Manambady an’ Hugh O’Leary. Izy ary mbola tsy niteraka izy roa. Maro dia maro ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny governemanta anglisy nanomboka ny taona 2010 nidirany teo amin’ny sehatry politika.


Aleho atao amin’ny teny frantsay izany andraikitra nosahanin’I Liz Truss izany :

Députée britannique depuis le 6 mai 2010.

Secrétaire d’État à l’Environnement, à l’Alimentation et aux Affaires rurales (2014-2016)

Lord chancelier, Secrétaire d’État à la Justice (2016-2017)

Secrétaire en chef du Trésor (2017-2019)

Secrétaire d’État au Commerce international, Présidente de la Commission du Commerce (2019-2021)

Ny 6 septambra 2022 i Liz Truss no hanao ny fianianana amin’ny maha Praiminisitra azy. Izy izany no vehivavy fahatelo voafidy Praiminisitra hitarika ny governemanta anglisy, taorian’i Margaret Thatcher, “The Iron Lady” (1979-1990) sy Theresa May (2016-2019) izay samy mpikambana ao amin’ny antoko “Conservateur”. Ny 8 avrily 2013 no nodimandry tao London i Margaret Thatcher.


Raha hiresaka vehivavy Praiminisitra dia ireto misy efatra ary samy avy any avaratry ny planeta Tany, samy voafidin’ny antoko misy azy tsirairay avy. Mahavariana…


Magdalena Andersson, Praiminisitry ny Suède, nanomboka ny taona 2021


Sanna Marin, Praiminisitry ny Finlande, nanomboka ny taona 2019


Mette Frederiksen, Praiminisitry ny Danemark, nanomboka ny taona 2019


Kaja Kallas, Praiminisitry ny Estonie, nanomboka ny taona 2021.


Fa tsy adino ihany koa i Edith Cresson, vehivavy Praiminisitryvoalohany tao France, ny taona 1991-1992. Any indray dia tendrena ny Praiminisitra.

Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 5 septambra 2022

Articles similaires