Zoma 20 Novambra 2026 · Vendredi 20 novembre 2026 Depuis 2004 · plus de 9 000 articles
● Dernière minute Antananarivo. International Education Expo Madagascar les 7 et 8 février 2026 — Madagasikara Tetezamita 2025-2027. Mila hajaina ny andininy 25/4-ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantànana — Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026
Photos

Belfast, Irlande Avaratra, 13 Septambra 2022. Lamesa ho an’ny Mpanjakavavy Elisabeth II tao amin’ny Katedraly Sainte-Anne. SARY FAHATSIAROVANA

Ho fahatsiarovana ny Mpanjakavavy Elisabeth II – niamboho ny 8 Septambra 2022 tao Balmoral, Ecosse- dia nisy Lamesa notontosaina tao amin’ny Katedraly Sainte-Anne, ao Belfast, renivohitr’Irlande Avaratra, ny 13 Septambra 2022.

Rariny raha omen’ny Madagate voninahitra izy amin’ny alalan’ny sary nalaiko tamin’ny alalan’ny BBC News izay isaorana manokana eto.

Io Lamesa io dia natrehin’ny Filohan’ny Irlande Avaratra, Michael D. Higgins, ny Mpanjaka Charles II sy ny Praiminisitra Liz Truss.

Marihina fa ny nofo mangatsiaky ny Mpanjakavavy Elisabeth II dia nijanona tany Ecosse, niandry ny nandefasana azy tamina raoplanina miaramilan’ny Royal Air Force ho any London.

Jeannot RAMAMBAZAFY

+ + + + + + +

Articles similaires