]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Claudine Razaimamonjy. Mitsangana miaro ny fahasahiana sy ny fahaleovantenan’ny BIANCO ny SMM

Claudine Razaimamonjy. Mitsangana miaro ny fahasahiana sy ny fahaleovantenan’ny BIANCO ny SMM

FANAMBARANA

Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM - Syndicat des Magistrats de Madagascar) dia manao izao fanambarana izao fa amin’ny maha tany tan-dàlana an’i Madagasikara, dia:

- Mitaky izahay ny fampiharana ny làlana 2004-030 nivoaka ny 09 septambra 2004 mikasika ny Bureau indépendant anti-corruption na BIANCO, nasiam-panovana araka ny làlana 2016-022, izay miantoka ny fahaleovan-tenany tanteraka; mametraka ny tsy fitsabatsabahan’ny Fahefana Mpanantanteraka sy ny Fitsarana raha mbola eny anivon’ny fanadihadiana sy famotorana eny amin’io Sampan-draharaha io ny raharaha;

Noho izany tsy ekenay mba ho fampiharana io làlana io ny fitsabahana na iza na iza amin’io raharaha io fa aoka avela hiasa malalaka ny mpanao famotorana.

Satria, tsy mbola mahakasika ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny, dia tandrovinay SMM izay tsy fitsabahana sy faneriterena ary ny tsindry rehetra amin’ny fotoana mety hahatongavan’io raharaha io ety amin’ny Fitsarana. Izahay dia hanara-maso akaiky izany.

- Tsy ekenay ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Mpiasam-panjakana sy ny biraom-panjakana;

- Tsy manaiky lembenana amin’ny fanorohorona sy tsindry isan-karazany na avy amin’iza na avy amin’iza;

-Mamerina hatrany ny fametrahana ny fahaleovan-tena ny Fitsarana ary manameloka ny fomba rehetra atao hanohitohinana izany;

- Mamerina ihany koa ny maha tany tan-dàlana ny Firenena Malagasy araka ny ambetin-tenin’ny Filohan’ny Repoblika;

- Manamafy fa araka ny didy aman-dàlana dia tsy tokony hitsabahana ny raharaham-pitsarana ary tokony hajaina mandrakariva ny Làlam-panorenana sy ireo làlana manan-kery rehetra;

- Manamarika ny SMM fa ny endrika fitsabahana amin’ny famotorana toy izao atao amin’ny BIANCO izao dia toherinay.

- Rehefa ho tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha dia hanara-maso akaiky ny fizotrany ny SMM.

- Raha nanao iny fanambarana iny ny Ministra dia ny heviny no nambarany fa tsy hevitrin’ny Mpitsara Malagasy;

Noho izany, miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony izahay Mpitsara mivondrona ato amin’ny Sendika.

Mankahery ny Mpitsara rehetra sy ny Tompon’andraikitra mpampihatra làlana rehetra ary mamporisika hatrany ny handraisan’izy ireo ny andraikitra izay napetraky ny làlana aminy: Mpitandro ny Filaminana ao anatin’izany.

Manohana tanteraka ny ezaka rehetra nataon’ny Tompon’andraikitra ny BIANCO amin’ny fametrahana ny tany tan-dàlana.

Miantso sahady ireo Mpitsara fa hisy fivoriambe tsy ara-potoana izay hatao.

Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hanajanonana ny firongatry ny “vindictes populaires” izay mahazo vahana eto amin’ny firenena;

Misaotra indrindra.

Ny Birao

Antananarivo, 06 Avril 2017


**************

Minisitry ny Fitsarana


EO NY FANAMBARANA FENO

Mis à jour ( Jeudi, 06 Avril 2017 17:06 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...