Ampahan'ireo mpianatra Malagasy any Sina
FANAMBARANA
Ho anâ Andriamatoa Filohanâny Fitondrana Avonâny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina izay tanora zoky sady namana sy ireo ratsamangaika isany izay voakasika.
Izahay mpianatra Malagasy aty Sina, mandray ny vatsim-pianarana avy aminâny Fanjakana Malagasy, dia manao izao fanambarana izao:
1. Maneho ny fisaorana feno ny fitondrana Malagasy izahay, nanome anay alĂ lana handranto fianarana aty ampitan-dranomasina, ary nanome anay ny vatsim-pianarana enim-bolana voalohany taminâny taom-pianarana lasa (2011-2012).
2. Izahay aty Sina dia tsy feno valonjato 800 mpianatra izany araka ny filazanâny sasany azy, fa ny isanay marina aty dia 274 vatsianâ ny Fanjakana vola: 264 tonga taminâny 2011 -2012 ary 10 kosa ireo efa tonga taty Sina talohanâizay.
3. Tsipahanay ankitsi-rano ny fampodiana anay raha toa ka tsy misy ny fandoavana ny vatsim-pianaranay tavela any aminâny Fanjakana Malagasy, ka mazava fa tsy sanatria hoe vola toy rano natondraka gisa fotsiny ny vola laninâny raiamandreninay taty Sina nandritra izay 18 volana tsy niantohanâny Fanjakana anay rehetra izay.
4. Hamafisinay ny temboka fahatelo etsy ambony, fa tsy ekenay koa ny fanaovana ny zanakâIkalahafa ny mpianatra aty Sina. Ka noho izany dia tsy hody avy aty izahay raha tsy andraisanareo fepetra mifanaraka aminâizany koa ny any aminy firenena hafa ankoatra anay aty Sina toy ny : Canada, Etats-Unis, France, sns.
5. Tapaho haingana ny hevitrareo ry Fanjakana Malagasy ary ataovy haingana fa olombelona manana ny hoavinay izahay mpianatra aty Sina, ka mila daty sy isanâolona ary anarana votondro mazava tsara izay lazainareo fa hampodinareo Mpitondra manam-pahefana, izahay mpianatra rehetra aty Sina.
6.6. Farany Andriamatoa Filoha, fantatrao fa miankina aminâny fanapahan-kevitra raisinao ny hoavinay zandry namanao, sy ny endriky ny Firenena Malagasy eo aminâny sehatra iraisam-pirenena, ny fampandrosoana anâi Madagasikara.
7.7. Apetrakay eo ampela-tananao Andriamatoa Filohanâny Fitondrana Avo ny Tetezamita, Andry Nirina Rajoelina, ny momba anay, ary matoky ny fahendrenao izahay.
Masina ny Tanindrazana.