]
Les quotidiens du 27 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Articles Mpianatra any Chine: taratasy misokatra ho an’ny Filoha Andry Rajoelina

Mpianatra any Chine: taratasy misokatra ho an’ny Filoha Andry Rajoelina

Ampahan'ireo mpianatra malagasy mandrato fianarana ambony any Chine

Chine, 3 Aogositra 2013

Taorian’ny fampahafantarana tamin’ny alàlan’ny aino aman-jery izay navoakan’ilay Commission Interministérielle izay nolazaina fa norafetina tao amin’ny ministera ny Fampianara ambony, minsitera ny Vola ary ny ao aminy CONABEX, dia tsy hainay mpianatra ny hangina amin’izao fotsiny manoloana ny fahatairana teo am-pandrenesana ny vaovao samihafa mahakasika an’izay tapaka manoloana ny fampodiana anay izany.

Koa satria moa ny fanjakana miziriziry mandrakariva ny amin’ny hoe tsy maintsy misy ny hody, na dia mafy aminay aza ny hisiany; eny fa na dia iray aza ny hody tsy nahavita fianarana, dia miafara amin’ny fandinihina foana ihany izany fampodiana raha izany no hitan’ny Fanjakana fa mety. Ankehitrio dia misy fanapahan-kevitra azo soritsoritana ihany efa mivoaka sy heno araka ny fampahafantarana izay natao tamin’ny haino aman-jery. Manolana izany, dia manipika izahay mpianatra fa:
-Ny andraisan’ny fitondrana mahefa ny anjara tandrifiny fa tsy sanatria izy Raiamandreny indray no milaza fanaratsiana mahakasika anay mpianatra; izay izy ireo ihany no nitantana ny fankatoavana ny taratasy sy ny fandehananay handrato fianarana aty ivelany.

-Toa tsy tazanay mavaza tsara, eny ! Manangasanga sahady ny tsy firarain’ny Fanjakna ny fotoana lany, ny hery ary ny vola aman-panana tsy maintsy lanin’ny raiamandrenim-pianatra eo anatrehan’ny tsy nahavitan’ny Fanjakana nandoa amin’ny antsakany sy andavany ny faneken’ny fiantohana manotolo ny fianaran’ny mpianatra miisa 10 (taona 2010-2011) ary 263 (taona 2011-2012) ka raha atotaly dia mpianatra miisa 273 no mandrato fianarana aty Chine. Araka ny fifanisana izay nataonay mpianatra aty.

Asa na dia efa ho inona loatra ny andraisan’ireo mpitondra Fanjakana mahefa ireo ny mahakasika anay aty? Eny fa na dia efa tsy rariny akory aza ny nanekenay mpianatra ny hanivanana anay tsotra izao! Izay tsy avy aty aminay velively fa iaraha-mahita izao fa avy amin’ny tsy fahafahan’ny Fanjakana ny handoa ny vatsim-pianarana izay tokony ho zakain’ny mpianatra. Dia mbola sahin’izy ireo ihany ny manao tsinontsinona ny vola lanin’ireo raiamandreninay taty, satria hatreto dia mbola tsy hitanay mazava tsara ny ho raisin’ny fanjakana an-tànana ny mahakasika anio. Vaomaika aza fampitandremana no nasetry ny tompon’andraiktra ao amin’ny ministera mpiahy, raha mba nanontany mahakasika izany ireo raiamandreny taorian’ny nahenon’izy ireo an’io fampodina ny 10% ny mpianatra aty Chine io.

KOA ETO IZAHAY DIA MANIPIKA FA MITAKY MANONTOLO NY AZAHOANAY NY ZO FENONAY INDRINDRA NY HIJERENAREO NY TSY MAINTSY LANINAY TATY!

Fa izao zavatra izao no niseho dia fantatrareo tsara fa tsy noho ny avy aminay velively fa noho ny fitantanana izay iantsoroanareo ihany.
Matoky izahay fa hifampihaino isika tahaka ny anekenay ny sivana izay ataonareo aminay koa amin’izao fotoana izao.

-Ny tena mampalahelo indrindra dia ny mahita ilay antontan’isa izay avoakanareo (277/244). Hita mibaribary ary mahalatsa-dranomaso ny tsy firarahina ny fanabezana sy ny hoavin’ny tanora ary ny fandetehana foana ny zanaky ny vahoaka mba tsy ahalala loatra mihoatra ny tokony ho hainy angaha?

Ary tena miharihary sy azo tsapain-tànana izany fa dia atao tsotra izao ny andetehana ny madinika fa tsy ny mba hampisondrotra azy akory.

ITY MISY TSETSATSETSA TSY ARITRA:

Nisy ny filazana fa 240 eo eo no zakan’ny fitondram-panjakana vatsiana isan-taona. Araka ny voalazain’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fiadidina ny ara-bola, fa niakatra ho 800 be izao izany ny mpianatra vatsian’ny Fitondrana Malagasy ny taona 2011 (Araka ny isa eo am-pelatanay izy ireo).
Efa namoaka didy izy ireo ny tsy hamoaka mpianatra aloha. Ankehitrio anefa dia mahatsikaritra izao manaraka izao izahay: efa tsy nandefa ihany tamin’ny taom-pianarana lasa iny, dia raha azo atao tsy mandefa koa amin’ity taom-pianarana ity, fa mba atao aloha raha mety izay ahavitan’izay efa mianatra ny fianarany aty ivelany.

TSY TOKONY EFA HO AZON’NY FANJAKANA ATAO VE NY MANENJIKA NY FANDOAVANA NY VATSIM-PIANARAN’NY MPIANATRA ATY IVELANY IDRINDRA IZAHAY ATY CHINE 273 IZAY MITARAINA LAVA?
Tsetsatsetsa tsy aritra, hoy izahay, satria nahagaga loatra ilay hoe 10% no mijanona. Raha ireo ISA ireo no jerena dia azonareo atao tsara ry Mpitondra Fanjakana mahefa ny mitazona anay ary afaka mifanatona an-databatra boribory isika ny amin’izany.

Raha ny am-pody foana ihany kosa aloha no hitanareo fa mety dia OMEO ANAY NY ZO FENO ANANAY fa mibaby trosa ny raiamandreninay, ny fotoana very moa sy ny fahamoizam-po dia tsy

lazaina intsony ary tsy voavidim-bola izany.

Ny Filoha Andry Rajoelina tao Macau, ny volana Marsa 2013

Eto am-pamaranana dia mitodika aminao izahay Andriamatoa Filohan’ny Tetezamita. Fantatray ny fotoana sarotra lalovan’ny Firenena amin’izao fotoana izao, ary amin’ny maha tanora tahaka anay anao -ary efa nisy koa aza ny fifanatonana teo aminao tamin’ny alàlan’ny solontenanay tao Macau, ny volana Martsa lasa teo.

Tamin’izany Andriamatoa Filoha dia nanana finiavana ianao ny hitady lalam-bola mba afahanay manohy ny fianaranay aty. Ho azonay antoka fa hanao izay azonao atao ianao handray fanapahan-kevitra aingana manoloana ny toe-javatra misy alohan’ny fidirana amin’ny volana Septambra izao satria dia miankina amin’izany indray ihany koa no afahan’ny Oniversite Sinoa ny handray anay (VISA, sns.)

Mino izahay Andriamatoa Filoha fa tsy hametraka soritra eo amin’ny Tantaran’ny Firenena fa ao anatin’ny fotoana nitondranao ny Firenena no nisy mpianatra tanora efa ho 200 mahery naverina nody an-tanindrazana noho ny tsy fahafahan’ny Fitondrana niantoka intsony ny adidy tokony nataony.

Ny Mpianatra vatsian’ny Fitondrana Malagasy aty Chine

(Sary nalefan’ireo mpianatra)

Mis à jour ( Dimanche, 04 Août 2013 17:31 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...