Razafisambatra Louis De Mon Désir : Fanambarana mikasika ilay taratasy torolàlana voasonia

Mardi, 20 Septembre 2011 16:44 Madagate affiche
Imprimer


FANAMBARANA

Manoloana ny fanaovan-tsonia ny taratasy torolàlana (« Feuille de route ») avy amin’ny SADC, ny tenako RAZAFISAMBATRA Louis De Mon Désir (Ttf : eo amin’ny sary ambony) dia manao fanambarana manaraka etoana :

* Mankasitraka ireo hery politika nanao sonia aho raha toa ka hampiroso marina ny firenena am-pilaminana sy hanovana ny pedagojia hitantànana ny tany sy ny fanjakana ;

* Mba hialana amin’ny politika mifototra amin’ny « omaly tsy niova » sy hamahana ireo olana fototra nahatonga izao fahoriam-bahoaka izao, dia mitaky adi-hevitra demokratika ny tenako;

* Marihiko eto fa tsy azo atao tandrametaka mandritry ny telo andro fotsiny ny fandinihana ny raharaham-pirenena mba tsy hampiverimberina ny krizy politika eto amintsika ;

* Tsy azo ekena ny hevi-petsy mirona fotsiny amin’ny fizarana seza mba hanaovana hala-bato amin’ny fifidianana manaraka ;

* Tsy azo lalaovina intsony ny vahoaka Malagasy;

* Raisiko adidy masina ny mampatsiahy ny fitsipika demokratika manao hoe : “teneno am-pahamarinana ny zavatra atao sy ataovy ny zavatra tenenina”;

* Tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena ny mpanao politika mbola te-hamerina sy hanohy ny fitondrana gaboraraka ary te-hanome vahana ny fanavakavahana ara-poko;

* Ary samia tsy hanadino ny tenin’Andriamanitra voalaza ao amin’ny soratra masina manao hoe: “Ny hafetsen’ny Hendry no hamandrihako azy”.

Natao teto Parisy, Talata faha-20 septembra 2011

RAZAFISAMBATRA Louis De Mon Désir

Filohana Vondrom-pikambanana maro any Andafy


Mis à jour ( Mardi, 20 Septembre 2011 16:55 )