AICC sy FMIC : Madagasikara firenena hisongadina

Jeudi, 01 Mai 2014 17:51 Madagate affiche
Imprimer

FANAMBARANA AN-GAZETY



Araka ny Fandraisam-pitenenan’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta nilazany ny Programan’asa izay miompana amin’ny Fampihavanam-pirenena sy ny Fampandrosoana dia namaly ny antso ireo Manam-pahaizana eran’ny Lafy valon’ny Nosy, Vato nasondrotry ny tany, ireo Ray aman-dReny ara-dRazana hanohana sy hanatanteraka ny Politika ankapobehany ny Filohan’ny Repoblika sy ny tetika fampandrosoana napetraky ny Praiminisitra, dia ny fanatanterahana ny aha Firenena « Emergent » an’i Madagasikara, azo adika amin’ny hoe « Firenena hisongadina ».


Ireo Manam-pahaizana manerana ny Madagasikara izay namaly ny antso ireo dia voavolavola ary manana fahaizana manokana ny mahakasika ny « Emergence de Madagascar »: tao ireo nianatra manokana ny « Emergence de Madagascar » tany amin’ireo Firenena Emergent rahavavy, ireo injeniera isan-tsokajiny, ireo Mpampianatra mpikaroka, ireo Mpahay toe-karena, sy ny sisa maro tsy voatanisa.


Efa mivory araka ny sokajiny avy izy ireo mandalina ny ara-toe-karena eto Madagasikara, manao ny « transfert de Technologie », mikarakara ny fifandraisana iraisam-pirenena, mijery ny ara-tsosialy, mikaroka ny kolotsaina hifanaraka amin’ny toe-tsaina Malagasy, …



Ny « American International Chamber of Commerce » (AICC) sy ny « Féderation Mondiale des Industries Chinoises » (FMIC) dia mifanome tànana amin’ny Fitondram-panjakana hanatanteraka ny hoe : « Madagascar, Pays Emergent ».


Koa entanina ireo rehetra tsy an-kanavaka, manam-paniriana hampandroso an’i Madagasikara, hanatevin-daharana ny « PLATEFORME pour l’EMERGENCE DE MADAGASCAR », fa « ny Fampandrosoana miantraika isan-tokantrano » no TANJONA.

Foiben-toeran’ny AICC, 67ha

Antananarivo faha-1 May 2014

Mis à jour ( Jeudi, 01 Mai 2014 18:03 )