]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Rabetsaroana hoe ? Ny anarana tanim-boanjo tokoa…

Rabetsaroana hoe ? Ny anarana tanim-boanjo tokoa…

Maro ireo olona mahafantatra tsara an’Andriamatoa Willy Sylvain Rabetsaroana sy ny fianakaviany no taitra raha vao navoakan’ny Polisim-pirenena ity fampilazana fikaroana an’izany Jean Didier Rabetsaroana izany. Sady amin’izay koa hoe Tale Jeneraly ana orinasa.

Willy Sylvain RABETSAROANA

Avy hatrany moa dia lasa 1 miampy 1 mira 2 ny an’ny ankamaroan’ny mpikirakira Facebook fa hoe rahalahin’i Willy Rabetsaroana io ! Cousin-ny mihitsy io ! Rehefa tsy maka sarotra tokoa dia izany ihany mby ao an-doha ao. Ary nisy mihitsy aza niantso ahy mikasika io olona karohin’ny polisy io.


Raha ny fianakavian’Andriamatoa Willy Rabetsaroana aloha dia ny rainy, izay efa nodimandry ny 08 Jona 2000 no fantatro. PAPA no fiantsoana azy ary mbola tsy nahita Malagasy manankarena tsotra sy tia manampy ny hafa toa azy aho hatreto. Tao Mahamasina eo akaikin’ny "Epicerie du Quartier" amin'izao fotoana izao izy no nipetraka fa nanana birao teo amin’ny araben’ny fahaleovantena eo Analakely teo Antaninarenina, alohan’ny Pergola.

Izaho moa rehefa manao fikaroana dia mitady mihitsy. Ka rehefa mitady dia mahita. Matoa tsy mahita dia satria tsy mitady.

Rehefa nikaroka ary aho dia efa diso be ilay fampilazana navoakan’ny Polisim-pirenena ao amin’ny Facebook io hitanareo io ambony io : Tsy izany Rabetsaroana Jean Didier izany no anaran’io olona tadiavina io fa Jean Didier BETSIAROANA. Lavitry ny afo tokoa ny kitay eto.


Ny orinasa Revaforage dia misy ary miara-miasa amin’ny Banky afrikana momban’ny fampandrosoana na ny BAD.

Fa izany orinasa FORAMA izany indray kosa dia toa “fantôme” tsy hita n’aiza n’aiza.


Tsy fanta-tsika mazava, hatreto, ny antony nahatonga io Jean Didier BETSIAROANA io tadiavin’ny mpitandro filaminana (“avis de recherché”).Toa hoe nisoloky, araka ity lahatsoratra manaraka ity:

Fa ny rahalahiny Jean Galbert Betsiaroana, tompon’ny Etablissements Kinga, kosa aloha dia voasaringotra amina raharaha fanondranana “bois de rose”, tao anatin’ny fotoan’ny niantombohan’ny Tetezamita, niaraka tamin-dry Jeannot Ranjanoro, Roger Thunam, Jean-Pierre Laisoa, Claude Bezokiny, Patricia Soa (Lo Seing) anabavin’ny Jeannot Ranjanoro, Thierry Body, Ramialison Arland, Michel Malohely, Martin Bematana, Chan Lane, Grégoire Ndahiny, William Guerra, Angelin Befototo, Maurice Paula, Jacky Manambola, Claudia Bezokiny (tsy manana rohim-pihavanana amin’I Claude Bezokiny), Rachid Patel, Eric Foeng sy Jao Hasy. Ny rohy mampitambatra ireo olona rehetra ireo ? Avy ao Antalaha jiaby jiaby.

Raha iverenako ny fianakavian’Andriamatoa Willy Sylvain Rabetsaroana dia ireto ihany no tena havana akaiky dia akaiky aminy.

Ny ray aman-dreniny : Irénée Rabetsaroana Rabefanonta na i Papa sy Julia Rabefanonta.

Ny mpiray tampo amin'i Willy Sylvain : Alain, Jocelyn, Johnny, Flavien (efa nodimandry) ary Princy Rabetsaroana. Tsy nanana anabavy ry zareo ireo.


Farany, dia ilay resaka anarana tanim-boanjo. Nisy ilay Antsaly Ny Aina Rajoelina voahosotra “Miss Madagascar 2022”. Dia efa nisy nilaza fa “zanaka anelan-kelan-tranon’ny Filoham-pirenena” !

Satria koa tao amin’ny Arena Ivandry no notontosaina ny famaranana. Be tokoa no lalin-tsaina nefa toa tsy mankaiza eo amin’ny fiainany andavanandro, mandany ny fiainana fandalovana ity manaratsy ny hafa sy mifanilika. Eisy e!

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 23 Avril 2022 04:21 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...