Addis-Abeba, Dar-es-Saalam, Antananarivo. Ny Filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa Victoria Kwakwa. In-telo tokoa no nihaonany

Lundi, 19 Février 2024 02:52 A la une
Imprimer

Addis-Abeba, Alahady 18 Febroary 2024. Teo akilan’ny andro faran’ny Fivoriana tsotra faha-37 ho an’ireo mpitondra firenena sy mpitondra fanjakana afrikana mivondrona ao anatin’ny Firaisam-be afrikana (UA), dia nihaona indray tamin’i Ramatoa Victoria Kwakwa, ny Filoha Andry Rajoelina,

Indray, hoy aho, satria in-telo tokoa ny Filoham-pirenena malagasy sy Ramatoa Victoria Kwakwa no nihaona :


Ny voalohany dia tao Iavoloha Antananarivo, Madagasikara, ny 06 Desambra 2022 ;


ny faharoa tany Dar-es-Salaam, Tanzanie, ny 26 Jolay 2023,


ary ny faha-telo dia tany Addis-Abeba, Ethiopia, ny 18 Febroary izany.

Fa iza moa i Ramatoa Victoria Kwakwa ? Fantaro ary izy dia ho fantatrao, mpamaky hajaina, ny tena vontoatin-dresaka mikasika an’i Madagasikara.

Ny STEM dia fanohizina ny hoe "science, technology, engineering, and mathematics". Izany hoe : Science, Technologie, Ingénierie sy Mathématiques. Ireo no taranja fototra mitondra fivoarana ho ana firenena iray, eny fivoarana ara-ekonomika ho an'ny Kontinanta Afrikana iray manontolo mihitsy, raha toa ka hilofosan'ireo mpianatra, na lahy na vavy izany.

Ny taona 1989 i Victoria Kwakwa, teratany Ghaneana, no niditra tao amin'ny Banky Iraisam-pirenena. Mpanatanteraka tanora (« jeune cadre ») azy tamin’izany. Manana mari-pahaizana « licence » momba ny toekarena sy ny antontan'isa avy amin'ny Oniversiten'i Ghana izy, ary ny mari-pahaizana « maîtrise » sy ny mari-pahaizana momba ny toekarena avy ao amin'ny Queen's University (Ontario, Canada). Amin'izao fotoana izao dia Filoha lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny faritra Atsinanana sy Atsimo an'i Afrika izy.

Talohan'ny nanendrena azy tamin'io toerana io, ny 1 Jolay 2022, dia Filoha lefitry ny hetsika stratejika i Ramatoa Kwakwa, niara-niasa akaiky tamin'ny Tale Jeneralin'ny Fampandehanan-draharaha sy ireo sampan-draharaham-panjakana sy andrim-panjakana isan-karazany amin'ny hetsika laharam-pahamehana ho amin'ny fanatsarana ny fanatanterahana sy ny fiantraikan'ny praograman’ny Banky iraisam-pirenena.

Nanomboka tamin'ny Aprily 2016 ka hatramin'ny Aogositra 2021, dia Filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena ho an’ny faritra Azia Atsinanana sy Pasifika izy, ary nitarika ny asan'ny Banky tany amin'ny firenena miisa 23 manana mombamomba (« profil ») tena samihafa : ao firenena eo an-dàlana mankany amin'ny toekarena avo lenta ; ao ny firenena miorina amina fidiram-bola antonony fa tsara fototra ary ao ny firenena kely fidiram-bola mila fanarenana malaky.


Fa manana traikefa mivelatra be mikasika ny Afrika ihany koa i Victoria Kwakwa, izay noraisiny tany Nizeria, firenena notarihany ny asa ara-toekarenan'ny Banky iraisam-pirenana teo anelanelan'ny 2001 sy 2006, ary koa tany Rwanda, izay izy no Lehiben’ny Banky iraisam-pirenena nanomboka tamin'ny taona 2007 ka hatramin'ny taona 2009.

Ramatoa Kwakwa dia mitondra fahalalàna lalina momba ny fampandehanan-draharahan'ny Banky sy traikefa matanjaka amin'ny olana mifandraika amin'ny trosa sy ny fiaretana eo amin’ny tontolo iainana ara-toekarena (« Résilience marco-économique »), ny fanavaozana ny fifaninanana ara-toekarena sy ny fitomboana ary ny fanapariahana ara-bola. Hainy ny mametraka ny olona tsirairay eo ivon'ny asany, mihaino ireo mpahazo fanampiana ho tombontsoa ary mifantoka amin'ny fahazoana vokatra tsara ho tombontsoan'ny firenena-mpanjifa sy ny mponina ao aminy.

Ny asa maha-matihanina azy dia mirakitra sehatra tsy tambo isaina eo amin’ny tontolon’ny fampandrosoana: fampandrosoana ambanivohitra, famatsiam-bola ny fotodrafitrasa, fanalefahana ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny faharetana, fanamafisana ny maha harena ny olona sy ny fampivoarana ny tanàn-dehibe. Nametraka fiaraha-miasa maharitra amin'ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpisehatra iraisam-pirenena i Victoria Kwakwa ary naneho ny fahaizany manetsika ireo mpiara-miombon’antoka samihafa manodidina ny tombontsoa iombonana.


Raha bangoina dia manana traikefa mihoatra ny 30 taona, ity Ramatoa mpahay toekarena sy manam-pahaizana momba ny fampandrosoana ity. Amin’izao fotoana izao izy dia mitarika ny asan'ny Banky iraisam-pirenena amin'ny firenena miisa 26. I Victoria Kwakwa dia manara-maso ny poketram-bola ana fifanakalozam-bola miisa 313 izay mitentina 58 lavitrisa dolara, raha totalina, izy, ary manara-maso ihany koa programa midadasika eo amin'ny sehatry ny famakafakana avo lenta, ny fanampiana ara-teknika ary ny torohevitra eo amin’ny lafiny stratejika. Ny vinany sy fijeriny lavitra dia tokony faritra marin-toerana i Afrika, miray hina ary manana faharetana eo anatrehin’ny olana isan-karazany, manana toekarena mavitrika sy fiarahamonina miroborobo, izay ahafahan’ny olom-pirenena rehetra, indrindra fa ny vehivavy, ny ankizy ary ny tanora, mahazo tombontsoa sahala.

Eo ambany fitarihan’i Victoria Kwakwa, ny Banky Iraisam-pirenena dia manome fanohanana lehibe ho an'ireo firenena miatrika fanamby sarotra sy maro karazana, toy ny krizin’ny Covid-19 iny, ny fikorontanana sy fiovanovan'ny toetr'andro, ny fiakaran'ny vidim-piainana entin'ny fiakaran’ny vidin-tsakafo sy ny angovo, ary ny fitomboan'ny trosa. Ny laharam-pahamehan-dRamatoa Kwakwa dia ny hampiroborobo ny asa eo amin'ny sehatra tsy miankina, ny fiovana ara-toekarena, ny fampivoarana ny renivola maha-olona (« Capital humain »), ​​ny fanamafisana ny faharetana eo anatrehin’ny fiovaovan’ny toetr'andro, ny ny fanatsarana ny famokarana eo aminn’y sehatry ny fambolena sy ny fiarovana ara-tsakafo, ny fanatsarana ny fomba ahazoana fotodrafitrasa fara fahakeliny ilain’ny vahoaka… Ireo sehatra manana olana rehetra ireo dia mifandraika amin'ny fampihenana ny fahalemena isan-karazany vokatry ny korontana sy ny fifandirana. Tokony vain-dohan-draharaha ny fampiroboroboana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ary ny fampiraisana isam-paritra (« intégration régionale »).


Raha hiverenana ny fihaonana’ny Filoha Rajoelina sy Ramatoa Kwakwa tao Addis-Abeba, ny 18 Febroary 2024 dia hoy ity Filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena ity :


« Fifaliana hatrany ny mihaona amin’ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Andry Rajoelina. Niarahaba azy aho amin'ny nahalany azy hanohy fe-potoana faharoa. Niresaka momba ny ezaka hanafaingana ny fampiharana ny fampiasana ny petra-bola mia-mitombo, ny fandrosoana amin'ny fanavaozana, indrindra eo amin'ny sehatry ny angovo, ary ny fomba afahana hanohanana ny fampivoarana ny angovo azo avy amin'ny rano. Vonona hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena, ho tombontsoan’ny olom-pirenena rehetra ».


Hoy kosa ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina :

« Nametraka ity fihaonanay fanintelony ity ho laharampahamehany teto Addis Abeba aho, hijerena miaraka ireo fiaraha-miasa sy hanamafisana izany. Mahatratra 4 lavitrisa dolara mahery ankehitriny ny kitapom-bolan’ny banky iraisam-pirenena ho an’ireo tetikasa hiarahany amintsika. Voalohany teo amin’ny fiaraha-miasa no nanome fahatokisana goavana an’i Madagasikara toa izany izy ireo ary vonona tanteraka ho eo anilantsika sy hanohana ara-teknika ihany koa ».

Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 19 Febroary 2024

Mis à jour ( Lundi, 19 Février 2024 17:26 )