]
Les quotidiens du 28 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une TOAMASINA, 08 MARSA 2024. ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY. LAHATENIN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

TOAMASINA, 08 MARSA 2024. ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZON’NY VEHIVAVY. LAHATENIN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

Ho anareo Andriambavilanitra rehetra, tsy ampy ny andro iray ankalazaina ny vehivavy. Fa isan’andro no tokony ankasitrahana ianareo Vehivavy. Ny antony dia satria ianareo no fototra sy andry iankinan’ny tokan-trano sy ny Firenena. Amin’ny maha reny, vady, anabavy, Vehivavy anareo, dia manana andraikitra goavana ianareo eo anivon’ny tokan-trano sy ny firenena ihany koa.

Ny fitiavana tsy misy tambiny, ny fikirizana, ny herim-po nanomboka tamin’ny Fanabeazana, ny Fitaizana, ny fikolokoloina sy ny fikarakarana ny zanaka sy ny tokan-trano dia tsy afaka adinoina izany. Ny Vehivavy dia mahafoy ny ainy mihintsy aza ho an’ny menaky ny ainy sy ny zanaka naterany.

Ianareo Vehivavy no jiro manazava, mankahery rehefa tolefika, mampitraka rehefa misy fahakivina. Ianareo no loharanom-pitiavana tsy mety ritra. Amiko ny Vehivavy dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny Fampandrosoana. Ary amin’izao fe-potoana faharoa itantanako ny Firenena izao, araka ny efa nambarako dia tsy hamela ny Vehivavy hiady irery aho, fa ifanome tànana tanteraka aminareo, hiara-dia, hiara-dalana ary hifanohana aminareo Fikambanam-behivavy.

Atao laharam-pahamehana sy amafisina ireo tetikasa anampiana sy ampivoarana anareo Vehivavy Tsapako loatra mantsy, ary hitako ny sedra sy ny olana izay iainan’ny an-kamaroan’ny Vehivavy. Hiaraka hamaha ny olana isika, ary handrava ireo sakana rehetra ahatratrarana ny tanjona izay apetraka mba hitondra Fanantenana sy Ho avy mamiratra ho an’ny Vehivavy sy ny Firenena. Mino aho fa ho vitantsika miaraka izany. Ary manome toky anareo aho fa hiady manokana ho anareo Vehivavy. Indrindra ianareo Vehivavy manano tena, ianareo Vehivavy tsy an’asa, ianareo Vehivavy anatin’ny tsy fahampiana, ianareo Vehivavy misedra olana maro samihafa.

Hanampy anareo sy hanao ny ezaka rehetra mba ahaleotena sy hizaka tena amin’ny sehatra maro ny fitondra-panjakana. Isan’izany ny fanomezana tany ahafahana mamboly sy miompy. Eo ihany koa ny fampiofanana ara-kasa, ny fanjairana, ny fikarikarana ny teknolojia sy ireo asa maro isan-karazany. Aorian’ny fiofanana dia ho vatsiana fitaovana avokoa ireo nahavita izany fiofanana izany mba ahafahan’izy ireo miditra avy hatrany ao amin’ny sehatry ny asa sy ny fampanan’asa, ary indrindra eo amin’ny fandraraharahana.

Amin’izao andron’ny 8 marsa izao dia manakoako eran-tany ny feon’ny Vehivavy mitaky ny fitovian-jo sy ny fanomezana hasina ny toeran’ny Vehivavy. Mbola lavitra ny làlana ahatongavana amin’izany. Fa raha ny eto Madagasikara manokana, dia sahiko no milaza fa efa nisy dingana lehibe natao sy mbola ho ataontsika amin’ny fanomezana sehatra sy ny fanampiana entina ampivoarana ny Vehivavy.

Ny Vehivavy dia mila omena sehatra manokana. Ary ny tenako manokana, dia sahy milaza anareo, fa rehefa misy ny fisafidianana amina andraikitra tokony homena eo anivon’ny ministera ohatra, raha mbola misy ny Vehivavy manana ny fahaiza-manao, manana ny traikefa, dia aleoko lavitra misafidy ny vehivavy toa izay misafidy ny lehilahy. Nasehoko izany teo anivon’ny fiadidianan’ny Repoblika, satria ny 90% ny Tale dia Vehivavy avokoa.

Ho avy izao ny fifidianana Solombavam-bahoaka. Mamporisika anareo Vehivavy aho, ary indrindra ihany koa, ho an’ireo antoko politika, raha mbola azo atao ny manolotra kandida Vehivavy, mifidy kandida Vehivavy dia safidio ary fidio ny kandida Vehivavy mba hisolo vava sy hisolo tena anareo eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Eo amin’izany fifidianana izany ihany, efa tapitra tamin’ny 15 febroary ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana. Mbola manana 20 andro nefa isika, ahafahantsika manamarina sy mijery ny anarantsika hoe ao anaty lisi-pifidianana ve isika sa tsia. Noho izany dia manentana ny olom-pirenena rehetra, fa indrindra manentana ny Vehivavy sy ny fikambanam-behivavy mba hijery ny anaranantsika, satria amin’ny alalan’ny fifidianana no ahafahantsika manefa ny adidintsika sy misitraka ny zon-tsika amin’ny maha mpifidy.

Ry Andriambavilanitra manerana ny Nosy : ny Razamben-tsika dia efa nametraka fa ny fiarahamonina matanjaka sy mirindra dia fiarahamonina manome Hasina ny Reny sy ny Vehivavy. Izay indrindra no nahatonga ny fototry ny teny hoe Firenena - Reny. Isika irery no nametraka izany. Ny an’ny sasany dia hoe « Patrie » (avy amin’ny hoe « Père »). Noho izany dia resy lahatra aho fa ny fanomezan-danja ny Vehivavy, ny fanampiana ny Vehivavy no hafahana mametraka fiarahamonina mirindra sy tena hampandrosoana an’ity Firenena ity.

Izay no mahatonga ahy hoe hanampy manokana anareo Vehivavy ary atao laharam-pahamehana anatin’ny tetibola-panjakana ny fanampiana sy fampitaovana ny fikambanam-behivavy sy ny Vehivavy mba ampandrosoana an’ity firenena ity. Koa andeha isika hiara-hientana, hanangana tontolo vaovao ahafahan’ny Vehivavy manatanteraka ny faniriany sy ny tanjona apetraka amin’ny Vehivavy tsirairay avy. Ary ny faniriana apetraka dia samy ahatratra ny tanjona ny Vehivavy tsirairay avy ka hitondra Fampandrosoana ho an’i Madagasikara. Ka ny firaisan-kinantsika rehetra no hatratrarana ilay teny ao am-po-tsika dia ny hoe “Madagasikara tsy maintsy mandroso”./.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Mercredi, 13 Mars 2024 09:59 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety