« FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA ». Io no lohahevitra hatsiarovana ny faha-77 taonanâny tolom-panafahana nataonâireo mahery fo tia tanindrazana taminâireo mpananim-bohitra ny taona 194-1948, fa ny 29 Marsa 1947 no niantomobohiny tao Moramanga.
Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikanâi Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy :
« Tsy afaka ao am-pontsika ary tsy ho adinontsika ny tolona nisy teto aminâny firenena. Izany no hanamariantsika ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahan'ny 29 martsa 1947, ka hanotrona anareo eny amin'ny MausolĂ©e Avaratr'ambohitsaina sy any Moramanga ny tenako. Isika vahoaka malagasy rehetra manerana ny Nosy koa dia samy hahatsiaro ireo maherifontsika sy ny fitiavan-tanindrazana nampitain'izy ireo ho antsika aminâio andro manan-tantara io ».
Toa izao ny fizotranâizany fahatsiarovana izany :
22 marsa 2024 : fanokafana aminâny fomba ofisialy fampirantiana eo amin'ny zaridainanâny Anosy ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho anâny mpiady Tia Tanindrazana sy ireo Zokiolona 70 taona miakatra.
25 marsa 2024 : fanamarihana isakinâny sekoly manodidina eto Andrenivohitra, Tanjona aminâny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana.
23 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena Fiangonana Advantista Soamanandrariny
24 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena FLM 67Ha
29 marsa 2024 MAUSOLĂE AVARATRâAMBOHITSAONA : IVONâNY FAHATSIAROVANA ho marihana aminâny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fanehoana ny afo tsy maty izany. Hisy ihany koa ny fanoloran'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikanâi Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy, ny Faneva ho an'ny « Taniketsan'ny Fanilo ».
29 marsa 2024 any MORAMANGA : ny fitokanana ny trano ho anâireo «Mpiady tia tanindrazana», na ny «AKANY FIADANANTSOA».
Hisy ihany koa, araka ny voalaza eo ambony, ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho anâny Mpiady Tia Tanindrazana sy ny Zokiolona 70 taona miakatra, ny 25 marsa hatramin'ny 06 aprily 2024, mba ho fanohanana azy ireo. Hitohy isam-bolana izany fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo.
Jeannot Ramambazafy