Filoha Andry Rajoelina nitsidika ny atleta tao amin’ny «Village Olympique » ao Paris

Lundi, 29 Juillet 2024 09:21 A la une
Imprimer

Ny Filoha Rajoelina, ny Atleta miisa 7 ; ireo Filoha ana taranja sy teknisianina mandrafitra ny delegasiona malagasy ; Rtoa Rosa Rakotozafy avy ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena, ny Masoivohin’i Madagasikara ao Frantsa ; Atoa Rija Rajohnson sy ny vadiny ; ny Minisitry ny Fanatanjahantena misolo toerana, Atoa Ramonjavelo Valery

PARIS, ALAHADY 28 JOLAY 2024. Tonga nitsidika ny atleta sy ny delegasiona malagasy tao amin’ny « Village des Jeux Olympiques et Paralympiques », ny Filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, notronin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Frantsa mivady.

Fantaro kely ny momban’io « Village des J.O. Paris 2024 ».

Toa izao ny fivelaran’ny Village des J.O. Paris 2024

52 hektara ny fivelarany ao anaty kaominina telo dia Saint-Denis, Saint-Ouen-Sur-Seine sy Ile-Saint-Denis. Atleta miisa 14.500 miampy ireo mambran’ny delegasiona avy no hipetraka ao, ary koa atleta manana fahasembanana miisa 9.000 handray anjara amin’ny « Jeux Olympiques ».

Misy « Polyclinique » tsy handoavam-bola ao ho an’ny atleta rehetra ary misokatra 7/7 andro sy 24/24 ora. Misy mantsy ny fiteny latina hoe : « men sana in corpore sano » midika hoe saina matsilo ao anaty vatana tomady.

Efitra goavana fanaovana fizaran-tena

Ao tsara ny sainam-pirenena malagasy !

Fa tsy adino ny sainam-pirenena grika, Firenena nipoiran’ny Lalao olympika tao Olympie ; ny sainan’ny Fivondronana Eoropenana misy an’ny Frantsa ary ny sainam-pirenena Frantsay satria ao Paris, Renivohiny no atao ny Lalao Olympika 2024. ALEFA RANKIZA A !

Ny Filoha Rahoelina sy ireo atleta malagasy miisa 7 nahatratra ny « minima » nafahany mandray anjara amin’ny J.O. Paris 2024. Resaka isan’ny fandresena nasionaly sy iraisam-pirenena ary fotoana tsara indrindra izany « minima » izany. Tsy ny komity olympika nasionalin’ny firenena iray mihitsy no misafidy izay hisolotena ilay firenena na koa misy resaka fiaviana. Ireo dia tokony hisy fanazavana goavana ao amin’ny TVM fa mbola misy ny Malagasy tery saina. ALEFA RANKIZA A !

Ny Filoha Rajoelina sy ny atleta ary ny filoha ana taranja efatra avy aty Madagasikara

Ny Filoha Rajoelina, ny Atleta miisa 7 ; ireo Filoha ana taranja sy teknisianina mandrafitra ny delegasiona malagasy ; Rtoa Rosa Rakotozafy avy ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena, ny Masoivohin’i Madagasikara ao Frantsa ; Atoa Rija Rajohnson sy ny vadiny ; ny Minisitry ny Fanatanjahantena misolo toerana, Atoa Ramonjavelo Valery

Nomarihin’ny Filoha Andry Rajoelina fa nandalo tao amin’ny Village des J.O. PARIS 2024 izy ny Alahady 28 Jolay 2024. ALEFA RANKIZY A !

Eny na dia efa raraka aza i Jonhatan (lomano) sy Fabio (tennis de table).


Jeannot RAMAMBAZAFY

Mis à jour ( Lundi, 29 Juillet 2024 10:07 )