Orinasa HITA. Misy tena manaraoraom-paty ara-bakiteny ka manao resaka tonelina Ambanidia nirodana hatrany…

Vendredi, 27 Juin 2025 15:41 A la une
Imprimer

Ampahan'ny Orinasa HITA ao Toamasina

Ahoana re no tokony ilazana ireto karazana gasy (fa tsy mendrika ho lazaina Malagasy) tena miandry izay karazam-boina rehetra izao dia mamorona ka ampifandraisana amina resaka tsy mifandray mihitsy, rehefa tena zoina akaiky ilay resaka avoaka ?

Io fomba io, na tiana na tsia, dia misy mpanao politika gasy aoriana ao, izay manome vola olona manozona ny tenany sy ny taranaka, satria mihevitra fa tsy ho tratra mihitsy raha manoranoram-poana amina anarana forom-poronina. Ny lalànan’ny « fakenews » (vaovao lainga), tompoko, dia iraisam-pirenena miala avy amin’ny Firenena Mikambana. Afa ny taloha. Ary na taloha aza, tratra ihany anie ilay olona tsy misy fanahy namoaka fa « nirodana ny tonelina Ambanidia », ny taona 2017 e ! Vitany mihitsy ny nanoratra fa « olona 80 no maty » tamin’izany.Voafafa daholo moa izany ao anaty facebook, fa ny gazety tsy azo fafana...


Tamin’izany taona 2017, dia io ambany io no nosoratana gazety iray eto an-toerana :

« Azo heverina ho asa fampihorohoroana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka ihany koa, ka inoana fa tsy hoe ela dia voasambotra ny tompon’antoka. Raha ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ny mpitandro ny filaminana dia efa eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ity fanelezana tsaho ity izy ireo amin’izao fotoana. Ho avy ny hazalambo. Maro amin’ireo mpikirakira ny “internet” sy ny “facebook” no mihevitra fa tsy ho tratra saingy tsy sarotra intsony ny mamantatra ny olona niaingan’ny hafatra mitory fandikan-dalàna toy izao noho ny fandrosoan’ny teknolojia ».

Inona no niafaran’ilay mpanelo tsaho ? Nigadra

Tao anatina andro vitsy nialohan’ny fankalazana ny Fetim-pirenena malagasy faha-65, dia nisy namoaka fa ny « menaka avy ao amin’ny orinasa HITA dia tsy azo antoka fa nahatonga fampoizinana ».

Io sary io ambony io aloha no hitako. Mazava ilay soratra fa « manentana ny rehetra mba hanatsahatra ny fanjifana ilay menaka HINA… ». Ary nolazainy fa toro-marika avy any amin’ny ministera misahana ny Varotra sy Fampiroboroboana ny Indostria. Raha mihaino tsara ilay olona niteny -izay miasa ao amin’io ministera- anefa, dia tsy misyizany resaka izany mihitsy no voalazany.

Ary dia miverina aminy taona 2017 izany isika satria tokoa tena azo heverina ho asa fampihorohoroana sy fanakorontanana ny filaminam-bahoaka izay hoe « manentana ny rehetra mba hanatsahatra ny fanjifana ilay menaka HINA… ».

io no tena pejy ofisialin'ny M3 TV any Mahajanga. ilay "manentana tsy hanjifa menaka HINA" dia lehibe loatra ilay soratra eo amin'ny lohateny.


Izaho, manoratra, tsy miaro ny tompon’io orinasa io, izay tsy fantatro akory, fa efa 10 taona izahay no mividy menaka vokariny ary mbola tsy nisy narary na ny zafikely, na ny zanaka, na izahay ray aman-dreny. Ary mino aho fa tena maro tsy tambo isaina ny fianakaviana toa anay mampiasa io menaka io, izay mora indrindra eo amin’ny tsenam-barotra, raha oharina amin’ny « importations ». Ny dikany dia tsy hoe satria mora dia ratsy kalitao ny entana na zavatra iray. Izaho moa mpanao gazety mpikaroka ara-tantara fa ny sasany mihevitra mihtisy angaha fa tamin’ity taona ity, nipoiran’izao karazana fanapoizinana ara-tsakafo -nitarika fahafatesana maro mihitsy ny sasany- no nitsangana izany orinasa HITA izany. Tsy dokam-barotra no ataoko eto fa fanazavana miala amin’ny zava-nisy sy misy marina.

Ka izao ny mikasika io orinasa io, ary tsy maintsy mampiasa teny frantsay koa aho satria manahirana ny voam-bolana sasany.

Efa nanomboka ny taona 2003 no niasa teto Madagasikara ny orisana HITA. Miorina ao Toamasina izy io. Manodina mena avy ivelany ho menaka voadio izy. Ny menaka avy ivelany ireo dia menaka Palma, Tournesol sy soja avy any Indonésie sy Singapour. Ny « matières premières » na akora fototra fanodinana kosa dia avy atsy Afrika atsimo sy ny Nosy Maurice. Rehefa voadio ao Toamasina izy ireo dia amidy amin'ny tavoahangy 1 litatra sy jerrycan 20 litatra, ao anatina fonosana amboarin'ny orinasa ihany.

Ny toerana misy ny orinasa HITA, dia ao anatin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Izany hoe tonga dia avy amin’ny « tanker » (karazana container vy matevina be) ana sambo no raisina mivantana ireo menaka ho diovina. Ny toerana fitehirizana HITA 1 sy HITA 2 dia manana fiara mifono vy na « citernes » mitondra ny menaka voadio any amin’ireo kamiao mpitatitra entana ho any amin’ny orinasa mpamokatra entana ao Androranga.

Ny dikany dia arahimaso tsara ny famokarana fa tsy resa-jaza mihitsy no atao. Any ka nisy mihitsy ireo mpianatra ambaratonga ambony nisafidy ny orinasa HITA nanaovan’ny asa nahazoany ny diplaomany.

Toa an’i Kalosoa Edvise Olinanive, ohatra izay nahavita « mini-moire » misy takelaka 13, ny taona 2023. Izao ny fintin’izany asany izany :

Ce mini-mémoire présente une étude sur le rendement des produits de l'huilerie alimentaire au sein de l'entreprise HITA, un acteur clé dans le secteur agroalimentaire à Toamasina. L'étude met en lumière les méthodes innovantes et durables de HITA, ainsi que son engagement envers la qualité, l'innovation et la responsabilité sociale. Le rapport se divise en deux parties : une présentation théorique de l'entreprise et une analyse de ses performances de production.

Tsy izy irery ny mpianatra ambaratonga voalohany nanao ny orinasa HITA ho foto-kevitra atao "mémoire" fa maromaro ihany, satria maro koa ny sampan-draharaha ao. Fa tsy anao dokambarotra aho nanoratra ity lahatsoratra ity.

Farany : tsy vao izao ny orinasa HITA no nanaovana resabe nitetehina hanimba azy. Ny volana avrily 2024 tokoa mantsy dia efa nandeha ny tsaho fa ratsy be tsy manara-penitra ny menaka vokarin'ny orinasa HITA. Io ambany io ny volazan'ny gazety Newsmada tamin'izany. Na dia teny frantsay aza, ataoko fa hazava aminareo ny teti-dratsy.


Mbola tsy vita akory ny fankalazana ny fetim-pirenena faha-65 dia niakatra tao amin’ny TVM, ny harivan’ny 26 Jona 2025, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fampiroboroboana ny Indostria, Andriamatoa David Ralambofiringa ary nilaza mazava fa :


« Tsy marina ny hitenenana fa tsy mahazo mihinana ary mampiasa ny menaka Hina ny vahoaka malagasy. Ny antony hitenenako an’izay dia tsotra : tsy azon-tsika atambatra daholo ny trangan-javatra manerana ny Nosy ka itovizana ny zavatra hitan-tsika tany amin’ny faritra atsimo ; hitovizana tany amin’ny faritra atsinanana ary hitovizanana tany amin’ny faritra avaratra. Ny entana iray ihany fa maromaro lafiny ny fitsinjarana an’izay, maro ny lalàna alehan’ireo entana ireo nialany tao amin’ny toerana mpamokarana hatramin’ny hahatongavany any amin’ny mpanjifa.

Ny zavatra ho amafisinay eto amin’ny ministeran’ny Varotra kosa, dia ny menkana amidin-tsika « en vrac ». amidy amina kapoaka. Iny, mantsy dia midika fa nalana tao anatin’ilay vata tena namokarana azy tany Toamasina dia nikirakiraina ka nandalo fitoerana samihafa, toerana samihafa, mety nanao an’arivony kilometra raha ohatra ka niparitaka manerana ny Nosy ihany koa.

Dia eo no namafisanay fomba fiasa hafa ihany koa, nanomboka tamin’ny herinandro lasa : ny anaovana fitiliana any ampanidinana, anatin’ilay finjarana ilay entana fa tsy mionona akory ny ministera misahana ny Varotra, tsy mionona ny Fanjakana ilazana fa tsy misy olana ny « certificat de consommabilité », ohatra, tany am-potony. Non. Aina no resahin-tsika eto, ary tena loza mitatao raha ohatra ka tsy jerena daholo iny làlana fitsinjarana rehetra iny.

Ka izay : ho amafisina izay fitiliana izay, ao anatin’ireo fikirakirana rehetra an’ilay entana. Ary ilazana ihany koa, ary niraisana niaraka tamin’ireo mpamokatra -io ny menaka no resahintsika fa ohatr’izany ny zavatra maro : ny mpamokatra « lait concentré », ny mpamokatra yaourt, ny mpamokatra lafarinina ihany koa, tafiditra ao anatin’izany, ary ao ny « mill na milina » (fanodinana, famokarana) ngezabe koa, ao anatin’izany fitsinjarana izany- fa dia mitovy sahala amin’ny menaka koa izany zavatra rehetra izany.

Hanamafy ny fitialana izany izahay ao anatin’ny antanantanan-tohotra samihafa, mandrapahatonga ilay entana any amin’ny mpanjifa, hoamarinana fa azo hoanina tokoa ve ny entana fa tsy hionona fotsiny amin’izay « certificat de consommabilité ». Tiako ampitoniana ny vahoaka malagasy, ny sain-tsika mianakavy, ao anatin’izay lafiny anankiray izay fa hisariako ny sain-tsika mianakavy mpanjifa ihany koa, amin’izay andraikitra goavana ananan-tsika amin’ny fijerena ilay toerana hividianan-tsika ny hani-masaka samihafa ireo sy ireo entana samihafa ihany koa, satria hanamora ny fahafahan-tsika misoroka satria aleho misoroka toa izay mitsabo (…).

Hitsidika io orinasa io (Ttf : orinasa HITA) izahay, afaka andro vitsivitsy, tsy hitenenako hoe amin’ny sabotsy izao. Dia hijery isika rehefa hitsidika io orinasa mpamokatra menaka any Toamasina io, ary hitondra ireo vondron’olona mpiaro ny mpanjifa ihany koa, mba afahan’izy ireo manely ny zavatra misy marina, amin’ny lalan’ny entana rehetra ary hanome toky ny vahoaka malagasy fa mitady vahaolana foana ary hanatsara ny lalam-piarian’ireo entana rehetra rehetra ireo ».


Io amin’ny sary ny menaka Lafatra avy ao amin’ny orinasa HITA. Nandrahoana sakafo atoandro teo izy io, eo am-pamitana ity lahatsoratra ity. Saingy tapaka ela ela ny jiro taty aminay... Resaka hafa io. Efa 10 (folo) taona izahay no mividy io menaka io isam-bolana any amina "grande surface" satria izy mihitsy no mora indrindra. Hatreto dia tsy misy olana ara-pahasalamana izahay mianakavy.

Ka ho jeren-tsika raha harary izahay rahariva na rahampitso ary. Ny sasany aloha fantatro fa hibitaka raha maty tampoka eo aho. Tsy misy maty raha tsy amin’ny androny. Fa noho ny fisainanareo ratsy fanahy ireo dia manahy mafy aho fa ho lasa alohako daholo ka na ny 60 taona aza tsy ho tratranareo.

Izaho izao efa ho 71 taona afaka iray volana mahery. Aleho hivavaka ho anareo aho. Ianareo manomboka izao dia ho kaodikaody eny an-dàlana, eny na ao an-trano sao mitontona tampoka ny mpitandro filaminana. Izany rehefa manao ratsy ka. Averiko : aza mihevitra koa fa nofafanareo ny tsahonareo dia tsy ho hita ianareo : voatahiry ao amin’ny facebook foana izay rehetra voasoratra ao.

Ka dia tohizo fa aza mila vonjy rehetra tratra fa tsy hisy hiraharaha anareo eo. Indrindra fa ireo mpaniraka… Azo atao tsara no miady hevitra, fa fady kosa ny manely tsaho satria famonoan-tena izany.

Jeannot Ramambazafy

27 Jona 2025

Mis à jour ( Vendredi, 27 Juin 2025 17:34 )