Tsikitsiky tsy ravina sisa ny an'ireto mpianatra voaraoka. Ho azy ary ?
VAOVAO MIVANTANA AVY ANY CHINE
Manankery hatrany ny fe-potoana 30 Jona 2014 nomenâny talenâny oniversite WUDA izay misy ireo mpianatra Malagasy miisa 18 tokony mahazo ny vatsim-pianarana avy aminâny fanjakana malagasy
Efa ho roa volana mahery izay no nilazanâny talenâny oniversite WUDA Wuhan University ny fe-potoana farany tsy maintsy handoavana ny trosanâireo mpianatra miisa 18 ireo nandritra izay roa taona izay. Saingy mbola tsy nahitana vahaolana mazava hatreto na dia efa namerimberina ny fitarainana any aminâny haino aman-jery na aterineto na gazety aza ireo mpianatra ireo. Manontany tena sisa no azonâireo mpianatra atao: inona marina ny tena tianâny fanjakana Malagasy hatao aminâizy ireo? Ny ray amandreninâizy ireo moa dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa any madagasikara, izany hoe miezaka mangataka fihaonana aminâireo tomponandraikitra saingy ny mampalahelo dia tsy misy olona mihaino ihany koa izy ireo.
Ka noho izany ary dia efa misy ankizy sasan-tsasany voaroaka taminâny trano ao aminâny oniversite ka tsy mahita toerana hipetrahana aminâizao fotoana izao. Araka izany dia tsy mitsahatra ny miantso vonjy aminâireo tomponandraikitra mahefa izahay mpianatra miisa 18 ato aminâny oniversite WUDA fa tena tsy manaiky intsony ny talenâny oniversite ao WUDA ka miangavy anareo mpitondra sy ireo tomponandraikitra aminâny ambaratonga samihafa mba hijery akaiky ny mombanâireo mpianatra ireo fa mijaly izy ireo sady tsy mahita toerana hipetrahana intsony fa mirenireny sady tsy mitombon-tsaina andro amanâalina mieritreritra ny ho avinâizy ireo.
Izahay mpianatra malagasy ao aminâny Oniversite WUDA Chine
=====================================
Sady mahamenatra no mampahonena ny manjo ireo mpianatra malagasy tapaka vatsim-pianarana any Chine any, aminâizao fotoana izao. Efa ela ihany ry zareo no nanaitra fa tsy misy taitra ny mpitondra aminâizao fotoana izao. Izany tokoa angamba ilay hoe « rupture ». Asa.
Na inona na inona anefa ny filĂ za, satria samy manava vava hiteny, dia tokony jerena izy ireo. Ny reny androany 30 Jona 2014 niditra tao aminâny radio Free Fm 104.2, ary tena mampitomany mihitsy ny teniny hoe : « lelafina re ny faladianareo mpitondra (Ny Filoha, ny Praiminisitra, ny ministry ny fanabeazam-pirenena) fa mba jereo ireo ankizy ireo »⊠Mahontsa tokoa.
Ny mety ho anareo mpamaky dia ny mihaino io vidéo ambony io.
Jeannot Ramambazafy â 30 Jona 2014