]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara fanaovan-gazety. Nodimandry i Moks Razafindramiandra

Madagasikara fanaovan-gazety. Nodimandry i Moks Razafindramiandra

Antananarivo, 29 Mey 2015. Tampoka ilay vaovao. Tampoka toa ny fiavian’ny fahafatesana
 Nodimandry ny zokibe ray aman-dreny mpanao gazety Moks Razafindramiandra, aninkeo maraina, rehefa niala aina nandritra ny alinan'ny 28 Mey. Ireto ny momba momba azy.

Teraka ny 18 septembra 1942 tao Ambohimanga-Rova i Moks Nasoloarisoa Rafindramiandra

Zanak'i Dokotera Razafindramiandra J. sy Ramatoa Razanabelo G.

Nianatra tamina sekoly isan-karazany eran'i Madagasikara noho ny asan-drainy

Kiadin' Madagasikara

Fikambanana « Tanora Maitsovolo »

Nianatra sy nampianatra ny « Esperanto »

Nanoratra tao amin'ny gazety ADY FARANY

Niala teto Madagasikara tamin'ny taona 1962


Tany ivelany

Nahazo vatsim-pianarana ho any Alemaina ary tany izy no nandalina ny asa fanaovan-gazety:

  • An-tsoratra tao amin'ny INTER NATIONES
  • Am-bava tao amin'ny Voix de l'Allemagne / Transcription Service ary nandefa fandaharam-potoana ho an'ny Radio Madagasikara
  • An-tsary: tao amin'ny Televiziona Alemanina Faharoa (ZDF)

Nisolo tena gazety malagasy maromaro tany Alemanina sy Eropa toa : Courrier de Madagascar, Madagascar-Matin, Vaovao, Feon'I Madagasikara, Lakroan'i Madagasikara, Fandrosoana, sns...

Mpikambana-Jury tao amin'ny Festival International de Films agricoles de Berlin

Conférencier agree par la CEE et le MinistÚre Fédéral de Coopération Economique tao amin'ny EBAG (Bonn)

Président-Fondateur de la Communauté Protestante de langue française de Bonn

Isan'ny nanangana ny Fiangonana kristianina Malagasy tao Alemanina – Mpitoriteny


Teto Madagasikara

  • Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Kolotsaina
  • Directeur du Cabinet OSIRIS, organisateur de FIMAG 94
  • PrĂ©sident du Conseil Communal de Talata-Volonondry
  • Consultant du projet PDFIV d'Ambatolampy
  • Mpanao Gazety ao amin'ny La Gazette de la Grande Ăźle izy nodimandry izao
  • Filohan'ny Firaisamben'ny Zokiolona eto Madagasikara (FI.ZO.MA.)
  • Mpanolotsaina ao amin'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Raharaha Sosialy

3 Mey 2010. Ankavia miankavanana : Rahajarizafy RĂ©mi, Razafindramiandra Moks, Rakotomaharo, Abraham Paul +, Rakotondrasoava Georges +

 

Marim-boninahitra

Grand Officier de l'Ordre National Malagasy

Boky betsaka no nosoratany moba ny tantaran'i Madagasikara fa mbola miandry "Ă©diteurs" vonona hanonta pirinty izany izy talohan'izao nahafatesany izao.

Ohatra: Reichtum und Probleme der madagassischen Literatur: Einfuhrung in die literarischen Gattungen Madagaskars” na koa “Angano Malagasy nofohazina” (1994)

Moks tao anaty fiarabe nitondra anay teny amin'ny Batou Beach, ny 3 Mey 2011, niaraka tamin'ny mpanao gazety zandry

I Moks Razafindramiandra dia Filohan'ny CJD (Club des Journalistes doyens na Fikambanan'ny Mpanao Gazety Zokiolona) nandritra ny taona maro. Ary taty aoriana, raha noraisin'Itompokolahy Rakotondrasoava Georges indray ny maha-Filohan'ny CJD azy dia  lasa Filoham-boninahitry ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Zokiolona io izy.

Moks sy GisĂšle Rakotoarivony

Ny fandevenana an’ny namana Moks dia araka ny voalazan'ny ferapara est ambony.

Moks sy Elisé Ranarivelo

Ny fitsapàna alahelo hataon’ireo mpikambana ao amin’ny CDJ kosa, dia hotontosaina ny Asabotsy 30 Mey 2015, amin’ny telo ora tolakandro (15h). Eny Ankadindratombo, terminus taxibe 192, akaikin’ny “Lavage Auto”, eo ampitan'ny Castel Madrid, làlana mankany Ambohimanambola.


Isaorana ny namana mpanao gazety Samy Ramarokoto nampita ireo rehetra momban'i Moks ireo. Izahay ato aminy madagate.com dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana manontolon’i Moks Razafindramiandra.

Jeannot Ramambazafy – 29 Mey 2015

Mis Ă  jour ( Samedi, 30 Mai 2015 08:50 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...