Ny Benâny tanĂ na Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro frantsay VĂ©ronique Vouland-Aneini. Efa taminâny taona 1989 no nisy ny fiaraha-miasanâny tanĂ nanâAntananarivo sy ny « RĂ©gion Ăle-de-France » fa tsy vao izao akory
O Ramatoa Ravalomanana a! F'inona ary ity? Vao manomboka ve ianao dia toa manome baiko ny mpanao gazety? Fa iza moa ianao io aloha toa tsy mahatsapa-tena? Efa nambarako tao aminy radio Antsiva fa averiko an-tsoratra eto satria toa mitohy indray ilay toe-tsaina mihevi-tena ho andriamanitra kely latsaka an-tany.
Ianareo rehetra voafidy ireo anie dia mpiasam-bahoaka e! Ary ny vadinao mihitsy no nilaza sy nampiatra izany saingy tsy nisy tohiny... Tsy ny vahoaka, ary indrindra indrindra ny mpanao gazety, no ho mpiasanao. Ny fifanajà na dia tokony miantomboka aminao aloha fa tsy izany resaka « positif » sy « négatif » izany. Mbola tsy hita akory ny zavatra ataonao, hafa-tsy ny mandray vazaha aloha, dia efa toa mampitandrina fatratra.
Ataovy aloha izay hahasoa ny tanĂ na fa ny asanay fantatray foana. Ary rehefa misy ny tsy mety tsy maintsy hitsikera izahay satria io no tena asanay. Sa misy zavatra afenina any ho any? Mamerina ihany koa aho eto fa ianao io anie mandalo fotsiny ihany fa ny vahoaka mitoetra e! Ny fitsikerana dia natao hanatsarana zavatra, hanitsiana ny tsy mety. Raha mpitondra no tsy azo tenenina sy atoro dia mpanao jadona no anarany. Aminâny fiainako manokana koa aloha dia tsy olĂ na amiko na eo ianao na tsy eo. Fa ity ianao sahisahy manome lesona ny mpanao gazety ity no tena fahagagana.
Vao herinandro vitsy anie ianao io no benâny tanĂ na e! Ary izaho efa 30 taona mahery no mpanao gazety. Sa lasa orinasanao koa ny tanĂ nanâAntananarivo ka dia mpiasanao daholo ny mponina ao aminy? Tsy mety an! Ianao indrindra no tokony hitandrina fa tsy izahay vahoaka mihitsy. Io fiheveran-tena ho zavatra io anie no nahavoa ny vadinao sao adinonao e! Hoy izy fony benâny tanĂ na: « Raha mbola misy tany totofana any dia mbola ho totofako »; izao indray ny naloaky ny vavany fony izy filoham-pirenena: « Tsapaho aloha ny herinâny tena vao mitsapa ny aty ». Fantatrao ny tohinâny tantara. Mahaiza maka lesona e! Fa tsy hoe voafidy dia lasa mpanjakanâny zava-boaryâŠ
Ka tsotra ny « rĂšgle de jeu »: ataovy ny asanao. Rehefa mety dia lazaina ny rehetra, ary rehefa misy tsy mety dia torakâizany: hambara ho fantatry ny be sy ny maro. Izay ihany ka miankina aminao tanteraka io. Tsy misy resaka nifidy na tsy nifidy anao izany. Ianao aloha izao no lehibenâny mpiasam-bahoaka eto Antananarivo ka henohy ny soso-keviny rehetra. Satria izy ireo ny mahalala -ary tena mahalala- ny hahasoa azy fa tsy ianao mitady hametraka rafitra avy any ivelany tsy mifanaraka aminâny zava-misy sy ny toe-tsaina eto.
Ianareo moa karazanâireo olona mora tohina ka asa raha ho lany andro aminâny fitoriana mpanao gazety eo indray. Ka dia efa manambara eto aho fa meloka milaza ny marina. Ary tsy ianao mihitsy aloha no hampanofĂ na ahy. HampanofĂ na aminâny ahoana koa moa? Omeo aloha ny praogramanao mazava, raha misy, dia ho hita eo na mitombo na revin-gadra. Io tsy resaka zanakâi Dada na Mapar na Arema na Hvm na inona. Ny maha mponina eto Antananaivo ireo rehetra aloha no jerena fa tsy tsanganâolona. Dia mitandremĂ kely aloha sao hanery olona hiditra antoko indray, raha tsy izany dia tsy kaonty.
Ka dia misaotra anao mialoha ry anabaviko (tsy ho neniko mihitsy aloha ianao satria mitovy taona isika) mpiasam-bahoaka raha mĂ nana finiavana marina hanasoa vahoaka ary ao anatinâny ara-dalĂ na.
Jeannot Ramambazafy â 20 octobre 2015