Nariany any anaty zaoridira ny Sata Repoblikana fa tiany haverina eto Madagasikara ny fitondrana tamin'ny Tany Gasy (taloha'ny niverenan'ny Fahaleovantena)
Efa nilaza aho tao aminy radio Antsiva (ETO) fa aza ampiasaina intsony ny voambolana « Fanjakana » satria ao anatinâio teny io misy ny Mpanjaka, misy ny fanjanahana ary misy ny fanjakazakana.
Inona tokoa ? Rehefa mijery, mihaino ary mamaky ireto fanambaranâilay filoha feno 57 taona manaraka ireto ianareo, dia hatsapa fa tsy repoblika intsony no misy eto Madagasikara fa lasa niverina taminâny Tany Gasy ka tsy ampiarina intsony ilay Lalampanorenena repoblikana izay teo amboniny anefa io filoha io no nanao fianianana eo anatrehanâAndriamanitra sy ny vahoaka malagasy fa hajainy sy ho tandremany toa ny anakandriamaso. Fa filoha inona re ity ry zalahy a ! Tena filoha kitoatoa tokoa. Io ambony io ny video, porofo tsy azo ivalozana ho anâny fitsaranâny Tantara.
«Nametraka fanontaniana ianao teo momba ny fifandraisako aminâny «AssemblĂ©e nationale». Izaho moa dia efa niresaka taminâireo foana hatraminâizay an, fa misy ilay «mĂ©morandum de stabilité». «MĂ©morandum de stabilité», aminâny ankapobeny, heu, no ilazana azy. Io moa izany dia iantsoko ny maro anâisa ao anatinâny, heu, AssemblĂ©e nationale, mba ivondrona manodidina ny praograma izay natolotro. Hoy aho hoe: ny Filohampirenena anie no nanao fanamby taminâny vahoaka e! Ny Filohampirenena anie no nametraka ny praogramany aminâny alalĂ nâny «Politique gĂ©nĂ©rale de lâEtat»; aminâny alalĂ nâny «Programme national de dĂ©veloppement» notsinjaraina aminâny alalĂ nâny PMO izany.
«Ka io, izay efa nolanianâny governamenta, efa nolanianâny «AssemblĂ©e nationale», io no ivondronan-tsika hampandroso ny firenena. Iza ianareo no vonona manodidina izany. Dia nisy ny nolazaiko hoe 90. Misy nanao tamiko hoe: avohay ny taratasy. Teo anoloanâizay tonga tao aminâny biraoko dia navoakako ny taratasy. Fa hoy aho mantsy anâilay niresaka tamiko, nisy maromaro; fa maninona ianareo no mitaky taratasy foana. Be dia be anie izay olona nanao sonia izay, nefa rehefa avy tsy nanĂ ja ny soniany. Fa hoy aho hoe: ny tena zava-dehibe dia ny olona resy lahatra ao aminâny fony sy ao aminâny sainy fa tombontsoam-pirenena no jerena ka miroso mifanohana aminâny alalĂ nâizany maro anâisa izany.
Rehefa niresaka tamina «dĂ©putĂ©s» samihafa moa aho dia hoy aho mantsy azy hoe: eto amintsika anie no mifanaraka ny Malagasy fa tsy any e. Dia ranom-bolamena fotsiny alaina dia atao ao anatinâny rano iny an, dia iny no iaraha-misotra ary mifanaraka isika. Angaha misy zavatra soratĂ na izany. Nefa dia matotra ny fiaraha-monina. Vonoina ny omba an, dia atsatsika ny hena aminy an, dia iny no ifanarahana. Misy aza didiany mihitsy ny tenany dia misotro aminâiny, izay ny fanarahana. Mihoatra noho ny sonia! Izany rehefa resy lahatra ny olona, mihoatra ny sonia. Fa ny sonia (Ttf: ireo hoe miisa 90) tena misy./.»
Izao no tian'ny Mpanjaka Mampiesona I ataon'ny solombavambahoaka "maro an'isa". Tsy mila sonia tokoa aloha e
Koa inona tokoa moa izany fa tsy firenena no entiny fa fanjakana kely, ka izy ny Mpanjaka ary aminâny alalĂ nâny hoe fati-drĂ no hitondrany izany fanjakana kely izany. Tsy arahina intsony ny Lalampanorenana izay mamaritra no toeranâny tsirairay ao anatinâny fiaraha-monina fa dia io. Ny loza dia ny HCC tarihinâingahikely Jean Eric Rakotoarisoa mihitsy no nanome alalĂ na satria izy ny namoaka didy fa tsy maintsy misy ny « pacte de responsabilité » izay ivelanâio Lalampanorenena io.
Fa dia vahoaka dondrona sy kentrona daholo no misy hatreto. Matoa izy sahy manaotao foana toa io satria manaiky daholo. Ianao mimenomenona any anaty « couloir », fa mifitsaka rehefa mifanatrika aminy anie no mandoa ny karamany e! Tsy milaza aho hoe aza hajaina izy fa izy no tsy mahay manaja-tena velively.
Jean-Eric Rakotoarisoa, Filohan'ny HCC sy Panja Ramanoelina, Filohan'ny Oniversite Antananarivo. Ity faharoa ity moa nanao "fati-drĂ " fony Marc Ravalomanana Filoham-pirenena, nahazoan'ity farany ny tany etsy Andohatapenaka, amin'ny anaran'ny orinasa Tiko
Ka tsotra: avelao izy eo hatraminâny taona 2013. Any indray manarina fa ny taranakareo aloha dia voa mainka hahantra mihoatra ianareo noana lava aminâizao fotoana izao. Tsy mandatsa aho fa izany no hitranga satria raha ny ara-dalĂ na voasoritra ao anatinâny Lalampanorenena no hantenaina dia e e e! Ao Ramose kely Jean Eric Rakotoarisoa hanolana azy tsy afahanâiza nâiza hihetsika satria izy no lalĂ na eto Madagasikara. Ny mainty ho lasa fotsy ary hivadika manga tanteraka (manga Hvm io an). Mitomania ry Tanindrazako fa mbola mafy kokoa no hanjo anao satria tsy ho Malagasy intsony.
Jeannot Ramambazafy â 7 Novambra 2015